BEPC- Cisco Atsimondrano : hanomboka ny 2 mey ny adina fanatanjahantena

Efa hiroso amin’ny fanatanterahana ny adina fanatanjahantena ny Cisco eto Antananarivo amin’ny herinandro ambony.

Manana foibem-panadinana telo ny Cisco Atsimondrano, ho an’ny taranja fanatanjahantena adina BEPC, amin’ity taona ity: Andoharanofotsy, Faliarivo Ampitatafika ary Andranonahoatra. Hosanta­rina ny 2 mey ho avy izao ny fandraisana ny mpiadina eny amin’ny foibem-panadinana Andoharanofotsy ary herinandro aorian’izay ny eny Fa­liarivo Ampitatafika, mama­rana azy ny 22 mey ho an’ny foibe Andranonahoatra.
11 303 ny isan’ny mpiadina amin’ny BEPC ho an’ny Cisco Atsimondrano, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Cis­co, omaly. 2692 ny mpiadina eny Ampitatafika, 3438 ho an’Andranonahoatra ary 5173 ho an’Andoharanofotsy. Nisa­fidy ny hanatanteraka ny taranja fanatanjahantena avokoa ny mpiadina rehetra. Hotontosaina ny 30 mey ka hatramin’ny 1 jona ny andrana ho an’ny BEPC, ho fanomanana sahady ny mpiadina hiatrika fanadinana.
Ho an’ny CEPE, roa ny andrana iarahan’ny sekoly rehetra, karakarain’ny tomponandraikitra, iray ny 23 mey izay karakarain’ny Zap ary ny 6 jona iarahana amin’ny Cisco. 14 700 ny isan’ny mpiadina amin’ny fanadinam-panjakana CEPE ho an’ny Cisco Atsimondrano.
Efa vita ny fandaharam-pianarana ho an’ny kilasy T5 eny amin’ny EPP Antanan­drano, Cisco Avaradrano, fa miatrika fizarana sy manomana ny fiatrehana ny CEPE andrana, hatao ny talata ho avy izao ny mpianatra. Tsara ny vokatra raha ny fanadinana farany satria 80% no nahazo “moyenne” 10/20. Nazoto rahateo ny mpianatra ary tsy nisy nanapaka maharitra na niala an-daharana nandritra ny taom-pianarana.

Vonjy

Partager sur: