CUA- kaominina Ambohimangakely : niara-nanadio ny lalana “Rocade Iarivo”

Nisy ny fanadiovana faobe ny lalana “Rocade Iarivo”, nanomboka etsy amin’ny Rond-point Andranobevava, Nanisana, hatrany Ambohi­mangakely Amoronakona, omaly. Fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina Antanan­a­rivo Renivohitra sy ny kaominina Ambohimangakely no nahatontosana izany. Niaraka nifarimbona ny mpanadio lalana avy amin’ny kaominina roa tonta satria toerana itambarana iny. Nandritra ny fiaraha-miasa teny an-toerana, nisaotra ny kaominina Anta­nanarivo Renivohitra ny tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina Ambohiman­gakely amin’ny fifanampiana satria tsy vitan’izy ireo irery ny asa toy izao.
50 ireo ekipan’ny kaominina roa tonta nanatanteraka ny fanadiovana ary niampy ireo mpanadio avy eny ani­von’ny fokontany 18. Nila­mina ny fizarana asa nosahanin’ny ekipa maromaro. Ny fampandrosoana sy ny fanadiovana ny tanàna no tanjona amin’izao hetsika izao ary hitohy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo kaominina roa. Nitarika ny fanadiovana teny an-toerana ny tale misahana ny Tanàn-dehibe avy eo anivon’ny CUA sy ny sekretera jeneraly avy ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambo­himangakely.

Vonjy

Partager sur: