Anisan’ny toerana iasan’ny Tahirim-bola ho an’ny fampandrosoana (Fid) ny distrikan’Ikongo, faritra Fitovinany. Amin’ny alalan’ny tetikasa « Asa vonjy voina » no hanatanterahana izany, nanomboka ny faramparan’ny volana marsa 2023 teo, nanarenana ny lalana tena ratsy.
Nanapotika zavatra maro tany amin’ny distrikan’Ikongo ny rivodoza Batsirai tamin’ny taona 2022, indrindra ny trano fonenana sy fotodrafitrasa samihafa. Tsy vitsy koa ny kaominina tratry ny tondradrano, ka traboina ny mponina, toy ny any Tolongoina, ahitana fokontany maro. Niantraika tany amin’ny tokantrano tena marefo izany, vao mainka sahirana tsy manam-bola hivelomana. Nentina an-tongotra ny entana ilaina andavanandro (PPN) ilain’ny mponina, ary misy ny tena tsy vitan’izany, toy ny voankazo, ny vary, ny legioma, sns.
Nitondra vahaolana ny tetikasa Asa vonjy voina, tanterahin’ny Fid, amin’ny alalan’ny Asa atakalo vola (ACT) ho an’ny mponina marefo. Miisa efatra ny ACT natao, ka anisan’izany ny hanadiovana ny lalamby mandalo ny kaominina Tolongoina sy Manampatrana, mirefy 16 km. Nahatratra 600 ny olona nanao ny asa fanarenana. Nesorina ny zavamaniry sy ny ahitra nanototra ny lalamby FCE (Fianarantsoa-Manakara), nodiovina ny tatatra, nampiana vato, sns.
Lalana tena ratsy 12 km
Tsy azo nampiasaina intsony koa ny lalam-pirenena RN 14, mampitohy an’Ifanadiana sy Ikongo. Maharitra roa andro ny anaovana ny lalana 96 km. Efatra koa ny ACT nataon’ny olona miisa 600, nanamboatra ny lalana tena ratsy mitotaly 12 km, eo Ambohimisafy hatrany Tolongoina. Nesorina ny fotaka, ireo zavatra nibahan-dalana, noverenana nosoritana ny lalana sady nototoina ny tany.
Mitotaly 1.200 ny olona nanao ity asa ACT miisa valo notanterahin’ny Fid ity. Notsinjaraina mandeha ampahany izy ireo, miasa ora dimy isan’ andro, mandritra ny 20 andro, omena 6.000 Ar/andro. Vehivavy ny antsasany latsaka kely amin’ireo mpisitraka ary natao laharam-pahamehana ireo tena marefo. Misy koa ny fanofanana azy ireo, mikasika ny herisetra ao an-tokantrano, ny fampiasana ny lava-piringa sy ny fidiovana, ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fitsinjovana sosialy, ny fandraisan’andraikitry ny olom-pirenena, ny fampandrosoana, ary ny mahatsara ny fianakaviana. Nanomboka ny 27 marsa ny ACT ary hifarana ny 28 avrily ho avy izao.
Njaka Andriantefiarinesy