Halatra 10 tapitrisa Ar : roa lahy mpirafy no namono an-dramatoa

Anjeva Gara! Nalefa eny Tsiafahy ny vadin’ilay ramatoa novonoina. Migadra miaraka aminy ny lehilahy iray voalaza fa sakaizan’ny maty. Mifampiampanga izy roa lahy mpirafy.

Mifamahofaho ny ra­haraha! Miandry ny datim-pitsarana ny olona voarohirohy mivantana na ahiana ho tafiditra tamin’ny famonoana ilay vehivavy, mpamongady legioma teny Anjeva Gara, ny talata 18 avrily 2023. Efa tamin’ny 2 ora maraina (omaly) vao vita ny fihainoan’ny mpitsara mpanao famotorana azy ireo. Olona 11 no nentin’ny zandary teny amin’ny fampanoavana. Anisan’izany ny vady andefimandrin’ilay ramatoa hita faty. Niampy lehilahy iray, voalaza fa sakaizan’ny maty.
Nisy vehivavy “mpitsabo” iray, nambaran’ny mpanao famotorana fa nifanao fotoana tamin’ilay lasibatra ny alatsinainy hariva, talohan’ny na­hafatesany. Izy no olona nahita azy velona farany. Izy dia mpikarakara ilay niharam-boina fony fahavelony. Nia­katra fampanoavana koa izy. Nanampy azy ireo ny fito lahy sy vehivavy iray mpanao raharaha tao amin’ilay lasibatra.
Nilatsaka ny didy avy amin’ny fampanoavana, naiditra eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ilay rangahy vadiny sy ilay voalaza fa rafilahiny. Ity farany, voalaza fa notondroin’ny vadin’ilay niharam-boina ho namany. Nam­pangainy fa niaraka taminy ho tao ambadik’izao vonoan’olona izao. Nanda ny fiampangana azy anefa ity voalaza fa sakaizan’ilay vehivavy novonoina ity. Sady nilaza izy fa tsy niaraka tamin’ilay lasibatra. Mpiara-miasa akaiky izy ireo, raha ny filazany, hoy ny loharanom-baovaon’ny gazety.
Nalefa eny amin’ny fon­jan’Antanimora kosa ilay vehivavy “mpitsabo”, nahita ny nahafatesan’ilay ramatoa. Eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana kosa ireo fito lahy mpanao raharaha. Avy nijinja vary teny Ambohimangakely izy ireo tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Torak’iza­ny ny vehivavy iray anisan’ny mpanampy akaiky an-dramatoa maty.

Mitaky ny fahamarinana

Nanamafy ny fianakavian’ ny niharam-boina fa nifanojo tanteraka amin’ny nandra­san’izy ireo ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fampanoavana. Zava-dehibe ny fampidirana am-ponja ny voarohirohy. Manamafy ny fitakiana ny fahamarinana hatrany izy ireo. Mangataka ny hamaizana mafy ny voapanga. “Tsy vitan’ny namono olona izy ireo, fa mbola mandrahona ho faty, indrindra fa ilay rangahy vadiny tamin’ny fahavelon-dratompokovavy”, hoy ny fianakaviana. Nambaran’izy ireo fa niaritra ny herisetra hatrany ilay renim-pianakaviana ka misy ifandraisany amin’izany ny fahafatesany. “Vonoan’olona efa nomanina mialoha ireny”, araka ny fanazavan’izy ireo hatrany.
Tsiahivina fa hita faty tao an-tranony eny Amboalefoka, Anjeva Gara, novonoina ta­min’ny fomba feno habibiana ity renim-pianakaviana ity. Nofatorana ny tanany sady nokendaina tamin’ny bodofotsy. Tsy vitan’izay fa mbola notontaina tamin’ny vazy ny lohany sy ny tarehany. La­san’ireo mpangalatra ny vola 10 tapitrisa Ar tao amin’ny valin-drihana. “Izy mivady ihany anefa no mahafantatra ny fisian’io vola io”, hoy ny fianakaviany. Mpandraharaha misehatra amin’ny fanangonana legioma ka mivarotra izany any Toamasina ny asan’ izy mivady. Andrasana, araka izany, ny fotoam-pitsarana ity raharaha ity eny amin’ny Fitsarana Anosy.

Jean Claude

Partager sur: