Mitohy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ataon’ny Tafika. Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika any amin’ireo faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana…
Manara-maso ny fizotry ny hetsika fampandriana fahalemana “Tselatra” ataon’ireo miaramila ny lehiben’ny Etamazaoron’ ireo Tafika, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin sy ireo mpiara-miasa aminy. Nanao tomban’ezaka ny zava-bita sy nanadihady ny zava-nisy eny an-kianja izy ireo mba hanatsarana ny fomba fiasa sy hitadiavana vahaolana hametrahana fandriampahalemana maharitra. Anisan’ireo faritra voasokajy ho faritra mena rahateo ny faritra Menabe sy ny manodidina iny. Nitafatafa tamin’ireo tomponandraiki-panjakana sy olom-boafidy ary ireo vahoaka any an-toerana ity manamboninahitra jeneraly ity sady nihaino ny hetahetan’ny mponina manoloana ny tsy fandriampahalemana. Nankahery ireo miaramila miantsehatra eny an-kianja izy ka nampahatsiahy fa tokony hanana fitondran-tena mendrika hatrany ny miaramiala mba hitohizan’ny fitokisan’ny vahoaka azy ireo.
Jean Claude