“Madagascar Wrestling Megaweek 2023” : mampiofana mpanao tolona eto amintsika ireo vahiny 4 mirahalahy

Notanterahina teny amin’ny lapan’ny Fanatanjahatena Mahamasina, omaly, ny lanonam-panokafana ofisialy ny hetsika “Madagascar Wrest­ling Megaweek 2023”. Nizara ny traikefany teto amintsika ireo manam-pahaizana manokana vahiny, efatra mirahalahy. Marihina fa efa nanomboka ny 20 avrily lasa teo ny fiofanana, ary hifarana amin’ny 30 avrily izany.
Vahiny manana ny lanjany tokoa izy ireto, anisan’izany i Vincent AKA, Charles Villet, Frédéric Rubiot sy Didier Sau­vaire, izay filohan’ny fikambanan’ny federasionan’ny «Fran­cophonie». Miisa 75 ireo mpiofana, ka ny 25 mpitsara, 25 mpanazatra ary atleta ny sisa ambiny. Nam­baran’ny filohan’ny federasiona, Raveloson Mamitiana fa, hifampizara traikefa no tena anton’izao fampiofanana izao, ankoatra izay, hanomana ny Lalaon’ny Nosy sy ireo fifaninanana iraisam-pirenena maro afaka fotoana vitsy, toy ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika any Tonizia, ny fifanintsanana hiakarana amin’ny Lalao Olympika 2024.
Ankoatra izay, misy ny fanomezana ny zava-baovao amin’ny lafiny teknika, izay mivoatra be amin’izao. Olona samy manana ny mampiavaka azy ireto vahiny ireto, hoy hatrany ny filohan’ny federasiona. Marihina fa hisy ny fizarana « certificat », hosoniavin’ny filohan’ny federasiona Iraisam-pirenena amin’ny fiafaran’ny fiofanana.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: