Maitre Mickael : hamelabelatra ny foto-pisainana Wisa

Tsy totohondry sy daka fotsiny ny kung fu Wisa fa ny ara-panahy indrindra indrindra (méditation). Hisy ny famelabelaran-kevitra hataon’ny Maitre Mickael, mpikatroka Kung fu Wisa, ny alahady ho avy izao, ao amin’ny Dojo Aska. Manam-pahaizana amin’ny resaka ara-tsaina, nivoaka tao amin’ny Oniver­site Clermont Auvergne, ity Maitre ity. Lohahevitra hovelabelariny, araka izany, ny foto-pisainana Wisa na ny “psychologie” sy ny Wisa. Hohazavaina ao fa hahazoana tombontsoa amin’ny lafiny rehetra ny kung fu Wisa. Eo ihany koa ny mahakasika ny atidohan’ny olombelona, ny firafitra, ny mahatonga ny fahasoavana na tsia eo amin’ny fiainana, ny hoe: nahoana no hoe miainga amin’ny saina ny zavatra rehetra?….ny fiavian’ny nofy sy ny hevitr’izany.
Tanjona ny hampifoha ny Malagasy rehetra ka hahazoan’ny tsirairay fahasoavana. Nohamafisin’ny Maitre Mi­ckael fa manome filaminan-tsaina ny kung fu Wisa. Ma­nasa ireo rehetra liana ny amin’izany izy ho avy amin’io alahady io.

Mi.Raz

Partager sur: