Manampy ny mpianatra hisafidy ny sokajy sy ny lalam-piofanana horantovina eny amin’ny oniversite, ny fandaharanasa “Ny asako rahampitso”, raha ny fanazavan’ny proviseur eo anivon’ny Lycée Jean Joseph Rabearivelo Analakely, Rakotomalala Holy, raha nanontaniana, omaly. Andiany faha
15 ny hetsika, karakarain’ny Rotary club Ainga eto Antananarivo. “Tombony betsaka amin’ny fandaharanasa toy izao ny fanampiana ny mpianatra hisafidy ny lalan-kizorany amin’ny fisafidianana ny sokajy sy ny lalam-piofanana tokony harahiny aorian’ny fahazahoana ny bakalorea”, hoy hatrany izy. “Nanampy betsaka ahy tamin’ny fisafidianana ny lalam-piofanana narahiko teny amin’ny oniversite ny hetsika Asako rahampitso talohan’ izao”, hoy i Felana, mpianatra eny amin’ny CNTEMAD.
Maherin’ny 500 ireo matihanina amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina (mpanamboatra tarehy, mpanao tao-trano, mpahay lalàna, ladoany, Tafika ana habakabaka…), mizara fahalalana sy fahaiza-manaony eny anivon’ ireo sekolim-panjakana. Maharitra 4 andro ary hifarana rahampitso ny hetsika eny anivon’ny sekolim-panjakana 8 eto Antananarivo sy Andoharanofotsy, Toliara, Mahajanga ary Ambatondrazaka.
Fisafidianana sokajy
Misafidy sy mieritreritra sahady ny sokajy tiany ireo mpianatra mandritra ny kilasy faharoa sy ny kilasy voalohany eny anivon’ny sekolim-panjakana. Olana matetika, ny fanarahan’ny mpianatra ny namany an-tsekoly. Ny sokajy ataon’ny namany ihany no arahin’ny sasany, raha ny fanazavan’ny mpampianatra. Ankoatra izay, manery hisafidy ny sokajy ataon’ny zanany ihany koa ny ray aman-dreny sasany.
Miankina amin’ny mpampianatra sy ny filankevitry ny sekoly ny fisafidianan’ny mpianatra ny sokajy tokony hataony, amin’ny kilasy famaranana, raha ny fanazavana. “Miankina amin’ny taranja manavanana ny tsirairay no anasokajiana azy ireo ho siantifika na ho literera”, hoy hatrany izy. Nilaza izy fa miankina amin’ny fahaizana nandritra ny taom-pianarana ihany koa izany. “Tsy ho lasa siantifika mihitsy ny mpianatra iray, raha toa ka latsaka be ny fahaizany an’io taranja iray io”, hoy i Haingo, mpampianatra. Manome torolalana sy tompon’ny teny farany amin’izany kosa ny mpampianatra eny anivon’ny sekoly misy azy ireo tsirairay avy.
Mino (mpianatra asa)