Opération « Tselatra » : dahalo nahatrarana Kalack

Nahitam-bokany sahady ny hetsika « Tselatra » izay ady atao amin’ny tsy fandriampahalemana. Tratran’ ny miaramila avy ao amin’ny fari-piarovana sy filaminana (ZDS) Pangalana ny dahalo raindahiny nampitondra faisana ny mponina ao Andrebakely, fokontany Anjiro, kaominina Tanam­bao Besakay, afakomaly. Tompon’antoka tamin’ny fa­nafihana sy fandorana trano enina tao Faravohitra, ny 23 novambra 2023, ity dahalo ity. Lasan’izy ireo tamin’izany ny vola 7 tapitrisa Ar. Da­halo 13 ireo nanafika ta­min’izany, raha ny nampitain’ny kaomandin’ny ZDS hatrany.

Jean Claude

Partager sur: