Rugby Afrique : voatendry ho komity mpanatanteraka Rakotomalala Marcel

Manana olona miasa ao anatin’ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny Rugby Afrique ny baolina lavalava malagasy. Voatendry ho anisan’ireo mpikambana Rakotomalala Marcel Joseph, filohan’ny Malagasy rugby.

Voatendry ho anisan’ireo mpikambana eo anivon’ny komity mpanatanteraky ny Rugby Afri­que, ny filohan’ny Mala­gasy Rugby, Rakotomalala Marcel Joseph. Nampahafan­tatra izany tamin’ny alalan’ny taratasy ofisialy nalefany ny 18 avrily lasa teo, i Azzouz Aib, tale jeneralin’ny Rugby Afrique. Vaovao lehibe mahafaly izany, araka ny nambaran-dRakotomalala Marcel tamin’ny mpanao gazety, omaly alarobia, tetsy Anko­ron­drano, satria afaka miady ho an’ny Makis, amin’ny tsy rariny mahazo matetika ny ekipam-pirenena, eo amin’ny fifaninanana atrehiny. Ankoa­tra izay, nohararaotiny ny nilaza fa hikatona manomboka ny alatsinainy 1 mey ho avy izao, ny kianja Makis hanomanana ny fandraisana ny Can ho an’ny rugby lalaovina olona 15. Fi­haonana, hiadian-toerana ho an’ny «Mondial 2025», hatao ny 20 – 28 mey 2023. Hiady lohany amin’izany ny Makis, i Kenya, i Afrika Atsimo ary i Cameroun. Nomarihiny fa miara-miasa amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny Malagasy Rugby ka miandry toerana hanohizana ny « XXL Top 20 ». Nanaovany antso avo fa hatramin’izao, tsy mbola nahazo vola avy amin’ny minisiteran’ny Fanatanja­hantena ny Malagasy Rugby.

Hotoriana ireo ligim-paritra mihoa-pefy
Hitondra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana sy any amin’ny federasiona iraisam-pirenena (IRB) ny Malagasy Rugby, ny amin’ireo ligim-paritra mihoa-pefy ka nanao fivoriambe tsy ara-dalàna, ny herinandro lasa teo. “Tsy anjaran’ny ligy ny mampiantso fivoriambe tsy ara-potoana, araka ny lahatsoratra faha-24 ao anatin’ny fitsipika mifehy ny rugby”, hoy Ra-Marcel. Ma­nan-jo hangataka izany izy ireo saingy mila mahafeno ny 1/3-n’ny mpikambana. Anjaran’ny komity mpanatanteraka sy ny filohan’ny Malagasy Rugby ny mamolavola ny lahadinika hatao amin’izany. Notsipihin-dRakotomalala Marcel fa feno hosoka sy fangalarana ary fi­sandohana andraikitra ny zavatra nataon’ireo ligy. Ho henjana ny sazy mahazo azy ireo, izay mety hiafara hatramin’ny fanalana azy ireo tsy ho ao anatin’ny tontolon’ny rugby intsony. Miantso ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ny tenany, handray andraikitra, amin’ireo mpanakorontana ny rugby.

Tompondaka

Partager sur: