Tsenaben’ny zavamaniry : efa voafandrika ny 60% ny tranoheva

Iray volana tsy higado­nan’ny tsenaben’ny zavamaniry, efa voafandrika ny 60 isan-jaton’ny tranoheva, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra voalohany amin’ity he­tsika “Foire des Plantes” ity, i Baholy Sarah. Hetsika hatao ny 1 hatramin’ny 4 jona ho avy izao, ao amin’ny Lapan’ ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahama­sina. An­diany voalohany ny amin’ity taona 2023 ity ka ny La Page no tompon-kevitra ary ny Rian’Ala kosa no mpikara­kara.
Santionany amin’ireo efa nisoratra anarana ny La Mai­son du Vita Malagasy, ny Site Permacole», Andrin’ny Aina, «Semences Madagascar», «Mam’s Anthurium», «Ka­liana Garden, ny Chez Coffret Mini, ny ADI’Gasy Company, ny Ando Pépinière, ny Eco­village Madagascar, ny Cedar, ny Mi Florist, ny Rian’Ala, ny Nature & Pure énergie, ny Santé et Bien-être, ny Ra­vindahasaha, Fandriana, ny House and Garden, ny Ma­nana Voninkazo, ny Lo­renah Garden, ny Producteur de semences. Hivoaka amin’ io fotoana io ny «magazine La Page», izay hiseho isaky ny enim-bolana.

Mi.Raz

Partager sur: