Zava-mahadomelina : 7 mianadahy nahatrarana héroïne

Olona 7 mianadahy indray voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina tao Toamasina, omaly. Nahazo loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa ahitana mpivarotra io karazan-java-mahadomelina io ao an-toerana. Nanao ny paikady na­hafahana misambotra ireo mpidoroka ireo ny polisy. Vokany, mpi­varotra rongony mahery vaika “heroïne” ny 3 tamin’ireo tra-tehaka. Mpi­do­roka ary efa miankin-doha tanteraka amin’io zava-ma­hadomelina io ny dimy voasambotra. Rehefa natao ny fanadihadiana, efa voasaringotra tamina halatra miharo herisetra ny olona telo. Voa­saringotra tamina raharaha halatra moto ny iray. Mitohy ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana.

Tsiferana R.

Partager sur: