“Bank to Wallet” : mampifandray ny Sipem banque sy ny Orange Money

Namoaka tolotra vaovao hanamorana ny fandefasana vola ny Sipem banque sy ny Orange Money. Misy ny tolotra “Bank to Wallet” ahafahan’ ny mpanjifa manana kaonty Orange Money sy manana vola eny amin’ny Sipem Ban­que misitraka izany. Hana­mora ny fangalana sy fandefasana vola ny tolotra, noho izy ampiasaina amin’ny finday ihany. Araka izany, mila ma­natona eny anivon’ny Sipem ny mpanjifa iray hampifandraisana ny kaontiny Orange Money sy ny kaontiny eny anivon’ity microfinance ity. Vita izay, mamindra vola avy amin’ny kaontiny Orange Money mankany amin’ny kao­ntiny Sipem izy. Maimaim­poana rahateo ny fanaovana izany. Aorian’io, afaka misitraka ny tolotra izy rehefa manindry ny #144# sy manaraka ny toromarika rehetra ao anatiny. Hitondra rivo-baovao amin’ny tsirairay ny tolotra noho izy azo ampiasaina 24/24 ora sy mandritra ny fito andro. Afaka mametraka sy misin­tona vola amina points Orange Money manerana ny Nosy ihany koa ny mpanjifa iray. Ankoatra izay, mbola afaka mandoa ny faktiorany sy mividy fahana amin’ny ala­lan’ny tolotra ihany koa izy. Tanjona ny hanamora ny fiainan’ny tsirairay sy ny hampandroso ny fidiram-bola eto amin’ny firenena.

Henintsoa H.

Partager sur: