Tafaverina soa aman-tsara an-tanety, omaly, ireo tantsambo 18 rendrika an-dranomasina tany amin’ny fari-dranomasin’i Seychelles, ny 25 avrily 2023. Sambo Seychelois Saya de Malha no nanavotra azy ireo ka nafindra tamin’ny patrouilleur côtier MALAKY. Rendrika an-dranomasina tany amin’iny faritra iny ny botry nitondra ireto tantsambo ireto ka navotan’ny sambo mpiambina ny sisin-dranomasina ao Seychelles. Ny fiaraha-miasa sy fifanakalozana eo amin’ny ivontoerana mpandrindra ny hetsika an-dranomasina sy ny ivontoeram-paritra misahana ny fandrindram-baovao eny an-dranomasina no nanapahana ny fandefasana ny patrouilleur côtier MALAKY hanatanteraka iraka sy fisafoana aty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara ka hikarohana ny tsy fanarahan-dalàna sy fandriampahalemana eny an-dranomasina. Natolotra ireo manam-pahefana ao Nosy Be Hell Ville ireto tantsambo 18 lahy ireto mba hanohizana ny fanadihadiana.
Jean Claude