Hiditra amin’ny andiany faharoa ny “Ecole en foot-ball”, baolina kitra lalaovina olona 7, ho an’ny sokajy U16, U17, U18 hifanandrinan’ireo mpianatra amin’ny sekoly eto an-drenivohitra. Hotanterahina ny sabotsy 6 mey tontolo andro, eny amin’ ny kianja “synthètique” Andohalo, izany fihaonana izany. Hiaro ny amboara azony amin’ ity ny LTC Ampefiloha izay nahazo izany na teo amin’ny lehilahy na teo amin’ny vehivavy.
Nampahafantarin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Yest Agency sy ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra, mikarakara ity “Ecole en football” ity, tamin’ny mpanao gazety, ny alarobia lasa teo, tetsy Analakely, fa nitombo ho 12 ny isan’ireo mpandray anjara ka 3 sekoly tsy miankina ary 9 Lycée miankina amin’ny fanjakana. Anisan’ireo sambany vao handray anjara ny Lycée Ankadikely Ilafy sy ry zareo J J Rabearivelo. Ankoatra izay, efa nandray anjara tamin’ny taon-dasa ny La Pepite d’or, Aceem, Lucadro, Lycée Ambohimanarina, Analamahitsy, Ampanefy, LTC, Andohalo,
Tanjona ny fitrandrahana ny talentan’ireo ankizy mpianatra ary fampilalaovana azy ireo amin’ny kianja “synthètique”. Hotolorana amboara sy lelavola ny ekipa mpandresy. Famaranana avy hatrany ny eo amin’ny sokajy vehivavy satria tsy misy afa-tsy ny LTC Ampefiloha sy ny lycée Rabearivelo. Hentitra ny fanaraha-maso amin’ny taonan’ny mpianatra mandray anjara. Haharitra 10 mn ny faharetan’ny lalao amin’ny fifanintsanana, raha 12 mn ny ampahefa-dalana. 10 mn indroa miditra, manomboka eo amin’ ny manasa-dalana sy ny famaranana.
Tompondaka