Mihantona ny asa fanarenana ny lalam-pirenena fahadimy (RN 5), amin’ny tapany mianavaratra. Miainga eo Soanierana Ivongo mankany Mananara Avaratra ary Maroantsetra. Velon-taraina ny mponina, indrindra ireo fiara mpampiasa lalana. Lasa ataon’ ny mponina fitadiavam-bola ny fampiasana ny tetezana sy ny fiampitana amin’ny zahatra (lakana vita amin’ny volobe) any amin’ireo toerana tsy misy tetezam-panjakana.
Azo heverina fa misy endrika fanararaotana ny fakam-bola amin’ny fiampitana. Midangana ny fandehanana amin’ ny zahatra, satria mahatratra 50.000 Ar isaky ny fiara, 30.000 Ar ho an’ny moto, 20.000 Ar ny bisikileta ary tsy mandoa sarany ny olombelona. Latsak’izany ny fiampitana amin’ny tetezana, andoavana 10.000 Ar isaky ny fiara, 2.000 Ar ho an’ny moto, 500 Ar ny bisikileta, 200 Ar ny olombelona. Tsy azo iampitan’ny omby kosa eo ambony tetezana.
Sajo sy Njaka A.