Fampirantiana goavana, manana ny maha izy azy no entin’ny Fondation H, misantatra ny ivontoerana vaovaony. Fampirantiana ny asa tanana nataon’i Madame Zo, izay mpanenona niavaka sy nanana ny naha izy azy teto Madagasikara.
Notontosaina omaly, teny amin’ny ivontoerana vaovaon’ny Fondation H, eny Ambatomena, ny fampahafantarana ho an’ny mpanao gazety ity ivontoerana vaovao ity sy ny fampirantiana entina misantatra izany. “Bientôt , je vous tisse tous” no anaran’ny fampirantiana misantatra ny ivontoerana vaovaon’ny Fondation H. Fampirantiana entina mahatsiaro an-dRazakaritrimo Zoarinivo na Madame Zo izy ity. Manomboka anio no hisokatra ho an’ny rehetra izany fampirantiana izany ary sahala amin’izay ihany koa ity toerana vaovao misy ny Fondation H ity.
Manana adidy aminy ny Fondation H
“Bientôt, je vous tisse tous”. Io no anisan’ny fehezanteny notenenin’i Madame Zo tamin’ny taratasy nalefany ho an’ny talen’ny Fondation H, izay anisan’ny taratasy farany talohan’ny nahafatesany. Izany indrindra no antony nanaovana ity fehezanteny ity ho lohateny sy lohahevitry ny fampirantiana. Sanganasan’i Madame Zo miisa 80 no miranty ao amin’ity toerana vaovaon’ny Fondation H ity. Nisy ny fiaraha-miasa tamina teknisianina vahiny eo amin’ny fanenomana tamin’ny fanatontosana sy fanomanana izao fampirantiana izao.
Efa hatramin’ny niantombohany, ny taona 2016, no niantsehatra teo amin’ny lafiny kolontsaina sy niantsoroka ny mpahay kanto ny Fondation H. Anisan’ny mpahay kanto nanamarika ny tantaran’ ny Fondation H Razakaritrimo Zoarinivo na Madame Zo. Izy izay anisan’ny Malagasy mpanenona nanana ny nampiavaka azy. Nodimandry izy volana vitsy taorian’ny naha voahosotra azy ho mpandresin’ny “Prix Paritana 2020” ka tsy nisitraka ny valisoa amin’ny maha mpandresy azy akory. “Manana adidy amin’i Madame Zo ny Fondation H. Izy izay olona tena fakan-tahaka tokoa tamin’ny toe-tsaina nentiny. Izany indrindra no anton’izao fampirantiana izao sy ny fanomezana azy toerana voalohany amin’ ity toerana vaovao ity”, hoy i Hassanein Hiridjee, talen’ny Fondation H.
Lin (Mpianatra asa)