Halatra volam-bahoaka : fito mian-dahy naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana, afakomaly, nidoboka am-pon­ja vonjimaika ireo mpiasa 7 eo anivon’ny Trésorerie Prin­cipale Ambalavao. Voa­sa­ringotra tamin’ny fahavere­zan’ny vola 400 tapitrisa Ar ireto mpiasa ireto. Tsy hita popoka io lelavola io ny marain’ny 17 avrily lasa teo. Tsy vaky anefa ny trano. Tsy nisy nanapitsoka ihany koa ny varavarana. Nisokatra ny varavaran’ny “coffre” nisy ny vola. Raha tsiahivina, efa fanindroany vaky ity “Tréso­rerie” ao an-toerana ity. No­samborin’ny mpitandro filaminana ny mpiasa ahina ho nahavanon-doza. Dimy ny mpiasa tao amin’ny toerana nahavery ny vola raha toa ka polisy mpiambina ny roa lahy.

Tsiferana R.

 

Partager sur: