Kaominina Antananarivo renivohitra: mpitantana “bloc sanitaire” 71 ihany no nahafa-po

Tsy ara-dalàna ny fitantanana fotodrafitrasa eny anivon’ny boriborintany sasany eto Anta­nanarivo. Mpitantana “bloc sanitaire” 71 ihany no nahafa-po amin’izany. Manampy amin’ny fanaraha-maso izany ny fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa, natao omaly.

Vita omaly, tetsy amin’ ny Lapan’ny tanàna Analakely, ny soniam-piaraha-miasa teo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo mpitan­tana “borne fontaine” sy “bloc sanitaire”. Nisitraka izany ireo fikambanana mpitanta­nana fotodrafitrasa 400 ma­hery avy amin’ny boriborintany 6. Nanatrika izany ny ben’ ny Tanàna Antananarivo, An­driantsitohaina Naina, sy ny mpiara-miasa aminy. Tanjona ny hisian’ny fitantanana madio sy mangarahara lavitry ny kolikoly mba hampadio ny tanàna tsirairay avy, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra.

« Fikambanana mpitan­tana bloc sanitaire 71 amin’ny 140, avy eto Antananarivo, ihany no nahafa-po ny fomba fitantanany », hoy ny filohan’ ny vaomiera tsara tantana eo anivon’ny kaominina Anta­nanarivo, Ravololomanana Lalatiana. Nasaina nataon’ny mponina eny anivon’ny fo­kontany ny fitantanana ny fotodrafitrasa amin’ny alalan’ ny « Association des usagers de l’eau » nanomboka ny taona 1996. Betsaka ny tsy fanarahan-dalàna teny ifotony, tsapa sy hitan’ny kaominina nandritra ny iray volana. Nanjavona avokoa ny fikambanana voasoratra anarana, mitantana ny fotodrafitrasa. Lasa fiana­kaviana no mitantana azy ireny… “Manoloana izany, natao ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa mba hahafahan’ ny kaominina manara-maso ny fitantanana eny ifotony”, hoy hatrany izy.

Hisy filazana aorian’ny fanaovan-tsonia

Nilaza izy fa rariny raha ho tapaka ny rano eny amin’ ireny “borne fontaine” ireny rehefa tsy voaloan’ny mpitantana ny faktioran’ny Jirama. Takin’ny kaominina hangarahara ny fitantanana ny fotodrafitrasa. Takina ihany koa ny hanefana ny vola tandrify azy ireo, mba hahafahana mam­pandroso ny tanàna. Ankoatra izay, tokony harahina ny fitsipika rehetra, ny mpanjifa, ny mpampiasa vola ary ny fikambanana.
Tsiahivina fa hisy filazana ny tokony hamerenana ny fi­tantanana ho amin’ny kaominina aorian’ny fanaovan-
tsonia, raha ny fanazavana. Hidina ny fotodrafitrasa ary raisin’ny kaominina an-tanana avy hatrany ny fitantanana izany, raha sanatria tsy voaloan’ny mpitantana eny ifotony ny faktiora. Tokony hanana jiro sy rano madio fisotro ny tokantrano tsirairay avy, raha ny vinan’ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo. Tsy hionona amin’ny “borne fontaine” ihany ny kaominina fa hie­zaka hampiditra jiro sy rano ho an’ny tokantrano.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: