Tonga nanome fiofanana ho an’ireo olona marobe tonga teny Mahamasina, i Hanshi Ramanitrandrasana René, Malagasy mpikatroka 10ème Dan. Anisan’ireo mpikatroka nasaina tao i Ylias Akbaraly, mpikatroka 5ème Dan amin’ity taranja ity ary filoha tale jeneralin’ny Redland.
Miisa 154 mahery ireo olona tonga nanatrika ny fiofanana notarihin’i Hanshi Ramanitrandrasana René, Malagasy mpikatroka 10ème Dan amin’ ny karate eto Madagasikara. Hetsika, nanomboka omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Anisan’ireo olona nasaina manokana hanatrika ity fiofanana ity i Ylias Akbaraly, filoha tale jeneralin’ny Redland, izay 5ème Dan amin’ity taranja ity. Tonga nanatrika tao ihany koa ireo olona avy any amin’ ny faritra, anisan’izany ny faritra Diana, Vakinankaratra.
Tsiahivina fa namorona ny karate voalohany teto Madagasikara i Hanshi René, ary izy ihany no nanangana ny klioba Karatedo malagasy tao Behoririka. Anisan’ireo mpianatra novolavolaina tao ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Marihina fa anio, misy ny fiofanana “kata” ataon’ i Hanshi René, miampy ny fifampizarana traikefa ataon’i Ylias Akbaraly. Araka ny fanazavana nataon’ny Sensei Rakotonirina Marcel, filohan’ ny komity mpikarakara ny hetsika dia hisy ny fifaninanana “Coupe Ramanitrandrasana René”, izay hatao rahampitso eny Ambatobe.
Fitia (Mpianatra asa)
Hoy izy ireo :
Hanshi Ramanitrandrasana René, Malagasy mpikatroka karateka, 10 ème Dan
“Mahafinaritra, mahafaly ahy ny mahita ireo tanora sy olon-dehibe maro milona anatin’ny taranja Karate. Nataoko ho maimaimpoana ny fiofanana, nahafaly ahy ny nahazoako ny ambaratonga 10ème Dan. Hitondra sy hampianatra ny tena toe-tsaina entin’ity taranja ity ny tenako, anisan’ izany ny fandeferana, ny finiavana ny hanasoa ny tanindrazana, ny fanetren-tena ary ny fahaizana miaina eo anivon’ny fiarahamonina.”
Ylias Akbaraly, filoha tale jeneralin’ny Redland, Malagasy mpikatroka karateka 5ème Dan
“Ny taranja karate dia fiainana ho ahy. Tombony amin’ity taranja ity ny fananana ny hatsaram-panahy, ny finiavana, ny fahatsoram-po sy ny fahamarinana ary ny fanetren-tena, miampy ny fifehezan-tena. Voninahitra ho ahy ny niofana niaraka tamin’i Hanshi Ramanitrandrasana René.”