Minisitra Ramilison Harifidy: tsy tokony hanafatra vary any ivelany isika

Karohina ny vahaolana maharitra hikojakojana ny lemaka voatondraka eto amintsika. Tokony ho ampy tsara ny voka-bary eto an-toerana, raha voakojakoja araka ny tokony ho izy ny fotodrafitrasa ara-pambolena.

Atao eto Antananarivo, ny 27 sy 28 avrily izao, ny atrikasa ho fitadiavana vahaolana maharitra amin’ny fikojakojana ireo lemaka voatondraka eto Mada­gasikara. Mandray anjara daholo ny mpisehatra amin’ny fambolena rehetra, ahitana ny fanjakana isan-tsokajiny, tarihin’ny minisitera, ny solontenan’ny tantsaha, toy ny fikam­banan’ny mpampiasa rano, ny teknisianina sy ny mpitantsoroka ara-teknika, sns. Nam­baran’ny minisitry ny Fambo­lena, Ramilison Harifidy, fa mahatratra 134.000 ha ny lemaka voajary eto Madagasi­kara. Raha ny lafiny vary, ahazoana vokatra maherin’ny 500.000 taonina io velarana io, isaky ny mamboly, amin’ ny salanisa 4 t/ha. Tafakatra 1.000.000 t izany raha indroa mamboly isan-taona. Notsorin’ ny minisitra, fa « tsy tokony hanafatra vary any ivelany i Madagasikara raha ireo tarehimarika ireo ».

Manana ny andraikiny ny mpampiasa rano
Nomarihiny anefa fa tsy ampy ny famatsiam-bary eto amintsika satria tsy voakojakoja araka ny tokony ho izy ny fotodrafitrasa, toy ny tohodrano. Eo koa ny haratsian-dalana, ka tsy tafavoaka ny vokatra any amin’ny toerana lavitra. Manampy ireo ny fiovan’ny toetr’andro.
Tanjona amin’ity atrikasa ity ny hikarohana vahaolana maharitra ahafahana mikojakoja maharitra ny fotodrafitrasa ara-pambolena. Hoentina any amin’ny faritra sy eny ifotony ny fehin-kevitry ny va­haolana tinapaky ny fivoriana. « Manana ny andraikiny lehibe amin’izany ny tambajotra federasiona mampiasa rano, satria izy ireo no tena voakasika mivantana eny ifotony », hoy ihany ny minisitra Rami­lison Harifidy.

Njaka A.

Partager sur: