Nirefodrefotra ny basy nandritra ny fifampitifirana teo amin’ny polisin’ny Uir sy ny jiolahy tao Antsirabe, omaly. Maty voatifitra nandritra ity fifandonana ity ny jiolahy raindahiny fantatry ny maro amin’ny anarana hoe i Betraina. Jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana efa fanta-daza sy mampihorohoro ny mponin’Antsirabe Rasolonjatovo Hasina Nantenaina na i Betraina. Nahazo loharanom-baovao mialoha ny polisin’ny Uir, omaly tamin’ny 1ora sy 30 mn momba ny fisian’ity jiolahy ity hita mihaodihaody sy ahina ho mikononkonona fanafihana miaraka amin’ny namany ao Andranomandevy. Nidina tany an-toerana avy hatrany ny polisy ka voamarina tokoa ny fisian’i Betraina tao an-toerana. Teo am-pisamborana azy ny polisy no nikasa hanindrona antsy i Betraina. Nitifitra ny polisy ka maty tsy tra-drano izy. Nohamafisin’ny polisy fa efa nokarohina hatry ny ela ity jiolahy ity. Efa nisy mihitsy aza ny famoahan’ny fitsarana “Didy mampaka” indroa miantoana, saingy izao izy vao tratra. Maro ireo olona efa nitondra faisana tamin’i Betraina tao Antsirabe sy ny manodidina. Ao anatina fikambanan-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika izy ity, araka ny fanazavan’ny polisy hatrany.
Jean Claude