« Tsy zava-baovao ny krizy sosialy sy toekarena lalovan’i Madagasikara », hoy ny mpampianatra mpikaroka Rasamoelina Henri. Nambarany fa mila miala amin’ny fomba nentim-paharazana isika raha te handroso.
Gazety Taratra (*) : Profesora, ahoana ny fahitanao ny toe-java-misy ankapobeny, miseho eto Madagasikara, ankehitriny ?
Profesora Rasamoelina Henri (-) : Izaho aloha tsy gaga amin’ny fandehan-javatra misy eto Madagasikara. Ny tantara no anisany ahafahako miteny an’izay. Isika tsy mijery lavitra fa ny zava-misy iainantsika ankehitriny izao dia efa hatrany amin’ny taonjato faha-19. Ohatra, momba ny tontolo iainana. Raha mamaky ny soratra napetraky ny misionera, ry Flacourt, isika dia efa nilaza izy fa tsy misy hazo intsony, indrindra amin’ity afovoan-tany ity, alaala kely sisa no misy. Toy izany ny asan-dahalo, nanaovako fikarohana. Hatrany amin’ny taonjato faha-19 izany. Hitantsika any anaty arsiva ireo. Niova fotsiny ny daty fa ny voarakitra anaty boky mitovy avokoa.
* Araka ny hevitrao, inona no mahatonga izao olana samihafa lalovan’ny firenena izao ?
– Amiko, diso ny filazana fa mila mamerin-kasina, mila mamerina ny maha izy azy ny Malagasy. Ny hevitro, misy amin’ireo fomba sy ny toe-tsaina nisy tamin’izany fotoana mbola iainana ankehitriny. Lasa mampikatso ilay fandrosoana izy ireny. Adihevitra be amin’ny mpikaroka momba ny “anthropologie” sy ny tariny io fomba fijeriko io. Izy ireo milaza fa ny fiverenana amin’ny maha Malagasy no antoky ny fampandrosoana. Ho ahy manokana, tsy mety amiko izay fa tsy maintsy miova ny toe-tsaina sy ny fomba iainantsika. Maro amin’ny fomba izay nolovaintsika avy amin’ny razantsika no mampikatso antsika. Matetika isika miresaka momba ny Japoney sy ny Sinoa. Tena mandroso tokoa izy ireo amin’ny fitrandrahana ny fomba nentim-paharazana, izay mifototra amin’ny fanajana fitsipika na discipline. Haintsika tsara izany “confucianisme” izany na ny foto-kevitry ny Confucius dia fitsipika henjana be, saingy ny antsika tsy izany. Ny antsika anefa dia “kolontsain’ny moramora” no nolovaintsika.
* Marolafy ny olana sedrain’ny firenena sy ny vahoaka malagasy. Ampy hilazana fa antony mampikatso an’i Madagasikara ve izany?
– Maro ny ohatra azo raisina. Mba haintsika ve fa ny Malagasy dia efa-bolana amin’ny 12 volana no miasa rehefa atotaly ny fotoana iasany? Tatitra navoakan’ny INSTAT izany fa tsy mamorona aho. Tsy vitan’izay, misy faritra eto Madagasikara, fady miasa talata sy alakamisy. Miampy ny sabotsy sy alahady izany, dia telo andro sisa no miasa ny mponina. Aiza no hisy fandrosoana amin’izany! Amiko, mila miala amin’ny fomba hita fa tsy mahatsara isika, na dia voalaza aza fa mampiavaka sy maha izy azy ilay faritra.
Ankoatra ireo, misy fomba hafa, tiako itondrana fanamarinana ihany koa, dia ity resaka omby ity. Azontsika an-tsaina ve izany hoe marary ny raim-pianakaviana, mila tsaboina. Mangataka ny mpitsabo mba hivarotana omby hitsaboana azy. Ny valinteny azon’ny dokotera dia hoe: “Tsia! Inona izany no handevenana ahy ?” Ny tiako holazaina, ambony lavitra noho ny fahavelomana ny fiainana aorian’ny fahafatesana. Manan-danja lavitra ilay fomba sy fisehosehoana atao amin’ny fotoana fandevenana. Amiko, tsy misy fampandrosoana ao anatin’izany. Ny atao hoe fandrosoana dia sady mitahiry no mampiasa ny fananana mba hampitomboana ny famokarana.
Farany ary tsy azo tsinontsinoavina ny fandosiran’ny manam-pahaizana, indrindra ny tanora any ivelany daholo. Na ivelan’ny faritra nisy azy izany na any ivelan’i Madagasikara. Miala ny fomba amam-panao sy ny rafitra efa tranainy sy heverin’izy ireo fa olana mampikatso ny fandrosoana izy ireny.
* Inona ny paikady sy vahaolana hoentinareo izay milaza izany fototrolana izany. Izay iaraha-mahalala tsara fa sarotsarotra manoloana ny karazana hodidina sy ny zava-miseho?
- Efa manomboka misy mahatsapa ihany ny olona fa voagejan’ny raiamandreny ara-drazana. Misy amin’ireto farany ihany koa efa misokatra tsikelikely. Amiko, tsy ny fanjakana mihitsy no mahavaha ny olana. Tsy maintsy ny olona to teny sy ny olo-maventy, izay mpiambina ireny fomba amam-panao sy nentim-pharazana ireny no mila resena lahatra. Izy ireo no miditra an-tsehatra, mitondra ny fanovana na ny fanatsarana, mifanaraka amin’ny vanim-potoana sy ny filana. Tsy midika fa maka sisiny ny mpitondra fanjakana, adidiny ny mametraka ny rafitra handrindra ny fifandresen-dahatra. Tsy misy afa-tsy ny raiamandreny ara-drazana no afaka mandresy lahatra. Ankoatra ireo, mila esorina ilay toe-tsaina tia kely. Mila manana toe-tsaina vonona ny hiova isika, na hatramin’ny resaka sy fomba famokarana vary io aza. Taratry ny maha Malagasy izany.
* Inona no manakana anareo tsy hanao ny adisisika amin’ny tomponandraikitra handraisan’izy ireo ny fepetra fanatanterahana izany?
– Ny olana dia talohan’ny fihibohana aho nanipy io resaka io. Efa hatao ilay izy saingy tapaka ny dingana efa vita, noho ny valanaretina. Mbola manohy aho, tsy mijanona raha io resaka io sy ny tontolo iainana, ary indrindra ny momba ny rano izay loza mitatao. Ny rano izay manomboka mihena sy tsy misy. Mbola lohalaharana alohan’ny fandriampahalemana ny rano. Tokony hitady fomba hitehirizana ny rano isika. Isika izay tratran’ny rivodoza sy tondradrano isan-taona. Mila mandranto fahaizana sy teknika ahafahana mitahiry io rano rehefa fahavaratra io isika. Tsy sarotra ny manao izany fa ilana finiavana fotsiny.
Dinika nangonin’i Lin Michel ( Mpianatra Asa)