Tontosa omaly, teny amin’ny Pietra Hotel Analakely, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nampahafantarana ny fampisehoana hataon’ny tarika Kiaka. Ny Giant Event no mikarakara ny hetsika, hanatanterahana ny 11 jona 2023, eny Antsahamanitra. Ho hita ao avokoa ireo mpikambana nahafantarana ny tarika hatramin’izay, ankoatra an’i Jhonny, izay any ampitan-dranomasina.
“An-kafalina no anoloranay fampisehoana ho an’ny mpankafy anay. Asa sy ezaka maro no natao mba hahamendrika ny fampisehoana ho an’ny mpankafy”, hoy i Deba, mpitendry gitaran’ny tarika. 37 taona ny tarika Kiaka amin’izao ary mbola tsy niova tamin’ny nahafantarana azy hatramin’izay. Izany no haseho mandritra ity fampisehoana ity. Hira manodidina ny 38 isa no hataon’ny tarika amin’ity fampisehoana ao Antsahamanitra ity.
“Lasa tiako ianao” sy “Fotoanantsika” no hira vaovao, izay ho hita sy horenesin’ny mpankafy voalohany, amin’io fampisehoana io. “Somary nisy fanovana kely ny hira noho ny fiovana kely nisy teo amin’ny tarika. Nentina nitondrana vokatra tsara ho an’ny mpankafy anefa izany rehetra izany”, hoy i Deba.
Lin (Mpianatra asa)