Resy lahatra ny kaoperativa fitaterana valo: Ambinintsoa, Fifafima, Kofitama, Komafila, Kofimi, Malakia, Kofitam ary Kofimanga, anatin’ny tetikasa Rooted In Trust 2.0 Madagascar, amin’ny maha zava-dehibe ny fanentanana ny olom-pirenena amin’ny loza ateraky ny fanjifana vaovao tsy marina momba ny Covid-19 sy ny fahasalamana amin’ny ankapobeny. Nanaiky maimaimpoana izy ireo hampiasana ny tambajotram-pitaterany hoentina hanaparitahana ireo hafatra fototra amin’ny hetsika fanentanana fampahalalam-baovao sy fifandraisana novolavolain’ny ONG Haiserasera Manonga Dia (CID) ao anatin’ny tetikasa Rooted in Trust 2.0 Madagascar.
Ametrahana afisy 900 ny fiara fitaterana 600 ka anisan’izany ny fiara fitateram-bahoaka sy ny taksibrosy. Fandraisana anjara lehibe amin’ny fanentanana amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny tsaho sy ny vaovao tsy marina momba ny Covid-19 sy ny fahasalamana amin’ny ankapobeny izao hetsiky ny kaoperativa izao. Tanjona ny hahenika olona 89 000 isan’andro amin’ny afisy rehetra .
Natomboka tamin’ny fifaninanana afisy fanairana, ny volana desambra 2022, ny hetsika fanentanana nataon’ny ONG CID. Niompana tamin’ny lohahevitra “Andeha isika hiara-hientana handrava ny rohi-tsaho manodidina ny Covid-19” ny fifaninanana. Olona maherin’ny 85 000 tamin’ny tambajotran-tserasera no voakasika. Ho fanitarana ny fampielezan-kevitra, natonta tamin’ny endrika roa samihafa ny afisy voasafidy ary naparitaka eny anivon’ireo toerana manana taha ambony amin’ny fampiasana finday: fiara fitateram-bahoaka , fiara karetsaka, biraom-pitantanana, hopitaly, tobim-pahasalamana ary fivarotam-panafody.
Mikendry ny hampivelatra fahaiza-misaina mitsikera amin’ny fanjifana vaovao mahakasika ny fahasalamana ny fametrahana afisy. Vatsian’ny USAID vola ary tontosain’ny Internews ny tetikasa Rooted In Trust 2.0 Madagascar,.
Vonjy