Renim-pianakaviana iray 70 taona, namoy ny ainy tao anaty fiara taksiborosy nitondra azy, tao Ambalavao, afakomaly. Tsy nisy vola nitsaboana tena izy.
Narary niala tany Mahajanga, namoy ny ainy tao anatin’ny fiara mpitatitra nitondra azy, tao Ambalalova, kaominina ambanivohitra Ambalavao, ny vaviantitra iray 70 taona, afakomaly maraina. Nikasa hihazo an’i Bekitro, anatin’ny distrikan’i Bekily izy. Tamin’ ny fotoana niangany tany Mahajanga, efa azon’ny tsy fahasalamana ity renim-pianakaviana ity. Nikiry hody anefa izy. Nihombo teny an-dalana io aretiny io. Nandalo teto an-dRenivohitra ny fiara, niteny ireo zanak’ity ramatoa ity ny mpamily mba hitondra io renin’izy ireo io eny amin’ny mpitsabo.
Tsy nisy vola
Na teo aza ny fihanaky ny aretina namely io ramatoa io, tsy nanana fahafahana hitsaboana azy intsony ireo zanany. Voatery niaritra ny hirifirin’ny fanaintainana mianjady taminy, araka izany, ilay vaviantitra. Tonga tao Ambalavao, tojo fahasimbana tampoka ny fiara nitondra ireo mpandeha. Voatery nijanona nanamboatra izany andro vitsy ny mpamily. Nijanona tao anatin’io fiara io ity renim-pianakaviana ity. Nitambotsitra tampoka ity farany. Nivokoka tao anatin’ny fiara izy ka tapitra ny ainy. Nampandre ny mpitandro filaminana ao an-toerana ny tomponandraikitra ny tanàna nijery ifotony ny zava-nisy.
Tsiferana R.