Faha-100 taonan’i Nirhy-Lanto : hisy fifaninanana asa soratra amboaran-drindrambolana

«Ho an’ny tanindrazana, ho an’ny tenin-drazana». Io ny lohahevitra iompanan’ny fifaninanana asa soratra, izay entina hanamarihana ny faha-10 taona nahaterahan-dRako­tonirina Charles Victor, fantatry ny maro amin’ny solon’anarana maha mpanoratra, Nirhy-Lanto. Nisy ny fampahafantarana ny hetsika amin’ny ankapobeny sy ny fifaninanana manokana, omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Havatsa-Upem, Tahala Rarihasina. Ity fikambanan’ny poeta sy mpanoratra izay nisy an’i Nirhy-Lanto ity rahateo no misahana ny fikarakarana, miaraka amin’ny fianakaviany.
«Loka Nirhy-Lanto 2023, andiany fahadimy – Amboa­ran-drindrambolana» no na­tao anarany. Nosafidiana ma­nokana io lohahevitra voalaza eo ambony io, satria mifototra amin’ny tarigetra sy ny soridalam-piainana nodiavin’ny mpanoratra. Misokatra hoan’ ireo Malagasy maniry handray anjara rehetra ny fifaninanana, tsy hanavahana sokajin-taona na toerana. Mpano­ratra olon-tokana kosa ny mpi­faninana, ary fandraisana an­jara iray ihany hoan’ny am­boaran-drindrambolana iray. Mazava loatra fa asa soratra tsy mbola nivoaka no andrasana amin’ireo mpifaninana.
Ny sabotsy 29 jolay amin’ ny 12 ora atoandro ny fara fandraisana ny asa soratra hifaninanana. Hampahafan­tarina ny alakamisy 28 septambra kosa ireo sangasana voafidy amin’ny fifaninanana. Amin’io fotoana io ihany koa mantsy ny lanonam-panokafana ny “Volana iray, mpanoratra iray”, izay haompana amin’i Nirhy-Lanto sy ny sanganasany. Tsy hifarana ny he­tsika raha tsy ny zoma 27 oktobra.

Zo ny Aina

Partager sur: