Fananana tsy ara-dalàna: vola 5,720 miliara Ar, fiara 182 no nogiazana

Am-perinasa tanteraka ny ARAI,ilay rafitra napetraka hamerina amin’ny fanjakana ny fananana azo tamin’ny tsy ara-dalàna. Efa nanageja vola 5,720 miliara Ar sy fiara 182 izy.

“Efa be dia be ny kaonty any amin’ny banky voageja. Nefa tsy maintsy mifandray amin’ny banky izahay ma­nontany: ohatrinona marina ny vola amin’ireny kaonty ireny?”, hoy ny tale jeneralin’ny Rafitra famerenana amin’ny fanjakana ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna (Arai), Rasolohari­manana Aimé, omaly, momba ny asan’ny rafitra tantaniny, tetsy Amparibe.
Hatramin’izao, any amin’ny 5,720 miliara Ar ny vola vonjimaika amin’ireo kaonty voageja any amin’ny banky; 182 ny fiara izay misy kamio, 4×4, fiara tsotra… Voakasika amin’izany ireo voaheloka amin’ny kolikoly na miralenta amin’izany, na fanodinkodinam-bolam-panjakana, na famotsiam-bola na famatsiam-bola asa fampihorohoroana… Tsy voatery olona no enjehina fa mety misy orinasa, izay azo enjehina noho izay fandikan-dalàna izay.
Tsy anavahana ny fanenjahana noho ny fanaovana kolikoly na fanodinkodinam-bolam-panjakana. Misy olom-panjakana, tomponandraikitra ambony, olon-tsotra… Manao izay tandrify azy amin’ny fanagiazana ny fananana azo amin’ny fomba tsy ara-dalàna ny Arai.

Hatrany ivelany
“Fanambinay koa amin’izao ny fanenjehana an’ireo fananana mivoaka any ivelan’i Madagasikara”, hoy izy. Tsy maintsy misy fiaraha-miasa amin’ireo rafitra any ivelany izany, ahazoana ma­merina an-tanindrazana ireo fananana azo tamin’ny kolikoly na fandikan-dalàna ka hamerenana azy amin’ny fanjakana.
Efa manana lalàna mifehy ny fanagiazana i Madagasi­kara amin’izao. Saingy tsy maintsy hatsaraina izany ary hampitoviana amin’ny lalàna iraisam-pirenena izay nankatoavina. Ilaina ny fananana lalàna tena manome fahefana an’ireo rafitra iadiana amin’ny kolikoly hahazoana manao fanagiazana. Jerena koa izay fomba handrindrana ny asa, fa zava-baovao amin’ny ady amin’ny kolikoly izay fanagiazana izay.
Tsy maintsy arindra ny asan’ny rafitra samihafa mi­antsehatra ao anatin’izany mba hahitam-bokatra misimisy kokoa. Miainga amin’ny famotorana savaranonando izany, izay azon’ny mpitsara mpanao famotorana sy ny Bianco atao; avy eo, hamarinina amin’ny tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly (Pac); farany, miditra an-tsehatra ny Arai.

R. Nd.

Partager sur: