Mpijoko voajoko ! Indray voasambotra ireo roa lahy mpanambaka olona amin’ny alalan’ny fanaovana fandraikiraikena, tao Andoharanofotsy, afakomaly. Noho ny fahatongavan’ny vehivavy iray nitonontena ho lasibatra ny asa fisolokian’ireo lehilahy ireo. Nandray ny harona plastika nentin’ireo mpisoloky ny zanan’io ramatoa io lahy ary tsy tompon’ny tenany intsony taorian’izany. Lasan’ireo mpisoloky mora foana ny finday. Tadidin’ilay lasibatra anefa ny endrik’ireto mpisoloky ireto. Nanao fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Nidina ifotony, sarona ireo roa lahy voatondro ho nanao io fanambakana io. Mbola teny aminy ny finday an’ilay voasoloky, niampy ny entan’ireo olona hafa efa voasolokiny. Niaiky heloka izy mirahalahy ireto. Notanana hatao fanadihadiana izy ireo ary hatolotra ny fampanoavana.
Tsiferana R.