Nandritra ny fitsidihana natao tamin’ireo toerana manokana hanaovana vaksiny tao amin’ny faritra Atsinanana, amin’izao herinandron’ny fanaovam-baksiny aty Afrika izao no nahafantarana fa mbola manjaka ny tsaho ary miteraka tahotra ho an’ny olona izany ka manakana azy ireo tsy hazoto hanao vaksiny.
Teny amin’ny fokontany dépôt, Premier Parcelle 21/41, Toamasina, ny ekipan’ny mpanao vaksiny, omaly, nanatanteraka ny hetsika fanaovam-baksiny maimaimpoana sy fizaham-pahasalamana manakaiky vahoaka. Nisongadina tamin’izany fa mbola tena sakana ho an’ny fahazotoan’ny olona hanao vaksiny ny tsaho. Mora andairan’ny lainga sy ny vaovao tsy marina ny olona, indrindra ny mponina an-tanàn-dehibe, raha ny fanazavana nentin’ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Anisan’ny nampidina be ny tahan’ny fanaovam-baksiny teto Madagasikara mihitsy ny tsaho niely taorian’ny firongatry ny valanaretina covid-19 ireny.
Misy mihitsy ireo mihevitra fa mampivadika “zombie” ny vaksiny ka tsy hanao izany velively izy sy ny fianakaviany. Ny mpanentana ara-pahasalamana, Hanitra Nirina Hagay, mihitsy no mandre izany eny anivon’ny fiarahamonina ka miezaka manazava ny sain’ny mponina tsy handairan’izany tsaho izany. Mandresy lahatra ny olona ihany koa amin’ny tombontsoa entin’ny fanaovam-baksiny ka mampirisika hanao vaksiny na ho an’ny zaza na ho an’ny reny bevohoka na ho an’ny olon-dehibe miohatra ny 18 taona hanao vaksiny miaro amin’ny covid-19.
Sakana goavana ny fomban-drazana sy ny fiangonana
Anisan’ny sakana ho an’ny fanaovam-baksiny koa ny fomban-drazana izay mamatotra ny fahalalahan’ny olona. Misy ireo mponina amin’ny tanàna sasany tsy mety amin’ny fomban -drazany mihitsy ny manao vaksiny. Tsy nisy nanao vaksiny ny ray aman-dreny rehetra tany aloha ka tsy manaiky ny hanaovana izany amin’ny taranaka mifandimby. Manaraka izany koa ny zanaka amam-para ka tsy manao vaksiny ny zanany mihitsy ary tsy mba manao vaksiny rehefa bevohoka, indrindra tsy hanao vaksiny Covid mihitsy izy ireny.
Etsy andaniny ny karazam-piangonana mandrara ny mpino ao aminy tsy mba hiditra amin’izany fanaovam-baksiny izany. Mamboly hevitra ratsy ao an-tsain’ny mpino ny mpitarika ka miteraka tahotra amin’ny mpiangona izany.
Manakaiky vahoaka ny tolotra
Anisan’ny paikady entin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka miaraka amin’ny PSI, Impact ny fanakaikezana ny vahoaka eny ifotony hanao vaksiny, hoy ny talen’ny Fampiroboroboana ny fahasalamana ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Raharimamonjy Lalie. Resy lahatra kokoa ny olona rehefa ny tolotra no manakaiky azy. Manampy ireo olona lavitra toeram-pitsaboana ihany koa ireny fidinana eny amin’ny fiarahamonina ireny.
Marolafy ny paikady apetraka hahafahana mampiakatra ny tahan’ny fanaovam-baksiny. Misy ny fanentanana mialoha atao amin’ny mpianatra eny amin’ny oniversite, ahafahan’izy ireo miomana ka hiroso amin’ny fanaovam-baksiny. Misy koa ny toerana manokana apetraka eny anivon’ny orinasa tsy miankina mihitsy hahafahan’ireo mpiasa sy ny vady aman-janany misitraka ny fanaovam-baksiny maimaimpoana.
Tatiana A