Kaominina Fenoarivo : olona maro mitaky ny hamerenana ny taniny

Nanao hetsika fitakiana ny hamerenana aminy ny taniny ireo mponina mahatsiaro ho tratran’ny tsindry hazolena etsy amin’ny kaominina Fe­noarivo, omaly. Tokantrano 200 mahery izy ireo no milaza ho tompon’ny tany sy efa nanajary izany. Tany mirefy 23ha mahery no nalaina tamin’izy ireo an-keriny, raha ny fanazavan’ny lehiben’ny fo­kontany ao Ambohijatovo Antanimarina, Rakotoarima­nana Jean Louis. Nanajary ny tany efa ho 50 taona mahery ireo mponina. Olona 9 anefa no mikiry manala ankehitriny azy ireo eo noho ny fivadiham-pitokisana, raha ny fanazavana hatrany.
Efa nijoro tamin’ny taona 2005 ny fikambanan’ny fokonolona nanajary ny tany. Resy hatrany any amin’ny tribonaly ny fikambanan’ny mponina ka manao antso avo amin’ny fi­loham-pirenena satria maha­tsiaro ho atody miady amam-bato.

Tatiana A

Partager sur: