Loka « Castell 2023 » : nanadihady ifotony ny mpikarakara

Tonga eto Madagasikara ny solontenan’ny «Fonds Pierre Castel», hijery ifotony mikasika ny lalao «Pris Castel» sy ny fisokafan’ny fihariana miompana amin’ny lalam-pihariana lafiny ara-tsakafo sy ny fandraharana aty Afrika. Voakasik’izany ny sekoly ambony momba ny siansa ara- pambolena sy fiompiana eny amin’ny oniversiten’Ankatso (ESSA). Nihaona tamin’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny izy ireo. Nojerena ny olan’ny olona sy ny fanambin’ny tanora, sy ny vahaolana hoentin’ny orinasa Star. Anisan’iza­ny ny fikarakarana ny fifaninanana ny loka «Prix Castel 2023», miompana amin’ny fandrafatena tetikasa amin’ny fambolena sy ny fiompiana. Ao anatin’izany ny fanodinana ny vokatra ara-pambolena.
Anisan’ny orinasa notsidihan’ny tomponandraitry ny Castel, ny orinsa mendrika teo aloha, ny Ecofarm sy ny Lycheeland, samy nahazo ny loka 2022.

Njaka A.

Partager sur: