Noraisim-potsiny! Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahadimy (CSP5), Mahamasina, ny ramatoa iray 50 taona, afakomaly tolakandro, noho ny halatra nataony. Maro ireo fitarainana voarain’ny polisy miasa eo anivon’ny CSP5 mahakasika ireo olon-dratsy manararaotra isaky ny tsenan’ Alakamisy, ao Mahamasina. Nametraka ny lamina sy ny paikady rehetra mba hahafahana manara-maso ireo jiolahy ny polisy. Tao ireo nanao fanamiana sivily ka efa niatrana mialoha teny an-tsena nijery ny fomba fiadin’ireo mpanao ratsy. Nahitam-bokany izany satria tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny ity ramatoa iray 50 taona ity. Tratra teo am-pangalarana fitaovan-dakozia amidy izy. Manararaotra ireo mpivarotra variana ity ramatoa ity ka mandraoka avy hatrany izay entana azo hoentina. Tsikaritry ny polisy anefa ny fihetsika ka tsy afa-bela intsony izy. Nilaza izy nandritra ny famotoran’ny polisy fa tsy vao izao no manao ity asa ratsy ity fa efa hatry ny ela. Mitety tsena izy miaraka amin’ireo namany mpiray tsikombakomba aminy, saingy izy aloha no tratra. Hatolotra ny fampanoavana izy aorian’ny famotorana.
Jean Claude