Mpivarotra sy mpitsindrona rongony : folo mianadahy indray voasambotry ny polisy

Miampy isa indray ireo voasambotra momban’ ny raharaha fitsindromana zava-mahadomelina mahery vaika izay efa miparitaka eto an-dRenivohitra. Olona folo voasambotry ny polisy avy eo anivon’ny sampana mi­ady amin’ny zava-mahadomelina, omaly. Miparitaka manerana an’Antananarivo ireo midoroka sy mitsindrona io karazan-java-mahadomelina mahery vaika io. Ho an’ireo olona fito tra-tehaka ireto, nisy ireo voasambotra teny Ankorondrano. Nahita­na mpivarotra “héroine” na “rôrô” koa teny Manakam­ba­hiny. Anisan’ny nahasamborana olona mpidoroka sy mpivarotra izany koa tao Antohomadinika.

Vehivavy ny telo
Miroboka amin’ny fi­tsindromana io zava-mahadomelina io avokoa ireo tanora na lahy na vavy. Miankin-doha tanteraka ny ankamaroan’izy ireo ary manao ny fomba rehetra ividanana io “rôrô” io. Ho an’ireo folo mianadahy tra-tehaka ireto, mbola sarona tao amin’izy ireo ny fitaovam-pitsindromana sy ny rongony. Araka ny fanamafisan’ny mpitandro filaminana, hitohy ny ady amin’ny famongorana ireo mpikirakira zava-mahadomelina indrindra ny eto an-dRenivohitra. Raha tsiahivina, vao ny fiatombohan’ny herinandro teo no nahatrarana mpianatra iray tamina Lycée tetsy Ankadi­lalana mpitsindrona rongony.

Tsiferana R.

Partager sur: