Notontosaina, omaly, tetsy amin’ny Orange Madagascar, Ankorondrano, ny fiaraha-miasany amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa. Hiompana amin’ny lafiny nomerika izany. Hisitraka ity tetikasa ity ireo mpianatry ny oniversite any an-toerana sy ny tsy an’asa na koa tsy mianatra ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony. Tanjona ny hanamafy ny fanoloran-tena ny rehetra amin’ny fampivelarana ny fahaiza-manao nomerika ho an’ny tanora malagasy. Izay rahateo ny antony nananganana ny Orange Digital Center Club (ODC Club) , ao Fianarantsoa. Ivontoeram-panofanana sy fampivelarana ny fahaiza-manao nomerika izy. Araka izany, misy ny hetsika isan-karazany handrafitra ny tetikasa. Ao ny fiofanana “codage” sy fananganana orinasa. Maimaimpoana sy misokatra ho an’ny rehetra ny ODC ka afaka manampy ireo tanora manana tetikasa mivaingana sahady ity tetikasa ity.
Henintsoa H.