Hifarana ny herinandro! Ho lavalava ny fialana sasatra. Hankalaza ny fetin’ny asa isika, ny alatsinainy ho avy izao. Andro iraisam-pirenena, iarahana amin’ny firenena maneran-tany izany. Ho an’i Madagasikara manokana, inona no andrasana ? Inona no mba ho fiantraikany amin’ny mponina, izay iaraha-mahalala fa latsaka anaty fahantrana lalina ? Hatreto hetsika toy ny hetsika rehetra fotsiny no misy. Ny sendikalista mpanao fitakiana sy mpitarika ny tolon’ny mpiasa aza zara fa misy amin’izao fotoana izao. Mijoro ara-panjakana sy manana birao dia ampy izay! Tsy hay mazava ny iraka sy ny tanjon’izy ireny.
Mila fieritreretana ny zava-miseho rehetra eto Madagasikara, eny fa hatramin’ny resaka sendikaly tahaka itony aza. Iaraha-mahalala fa mahatratra hatrany amin’ny 94 % maherin’ny mpiasa malagasy no misehatra anatin’ny tsy ara-dalàna. Midika izany fa ambony be ny tahan’ny tsy an’asa fa takotakonana amin’ny filalaovana antontanisa. Raha ny olana misy ankehitriny, sarotra ny hino fa zara raha manodinina ny 1 hatramin’ny 5%, raha be indrindra, ny tahan’ny tsy fananan’asa eto Madagasikara, araka ny tatitry ny manampahefana.
Tsy azo hodiana fanina ny zava-miseho, latsaka an-katerena ny ankamaroan’ny Malagasy. Izay tsy mivarotra amoron-dalana, miafiafy amin’ny orinasa afakaba. Ny mpiasam-panjakana zara raha misy, ary mbola velona mitsipozipozy amin’ity karama, lany mialohan’ny fandraisana azy. Ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina, efa mionona amin’ny sitrany ahay. Nofy ho an’ny mpiasa malagasy ny mba hanana tahiry na hanana ny ampy izany. Ny hohanina anio, mbola rahampitso vao ho tadiavina. Toy izany hatrany ilay boribory vetaveta iainan-dRamalagasy isan’andro.
Sarotra ny ady, lavitra ny lalana. Tsy mbola ato ho ato no hisy mpiasa malagasy manao ny asany araka ny fitiavana sy mampivelatra azy. Mpiasa mitady izay hatokona sy teren’ny filana no misy. Mazava be ny fomba fiasa, zara fa vita sy tsy ahitam-bokany mivaingana. Betsaka ny mpiasa kamo sy tia kolikoly. Tazana eny amin’ny toeram-piasana ny olona malok’endriky ny hakamoana sy ny hanohanana.
Amin’ny ankapobeny, mila fanatsarana ny tontolon’ny asa eto Madagasikara. Tsy mandeha ila izany fa miankina amin’ny mpampiasa sy ny mpiasa. Tsy hiandrasana tolona sendikaly, na ny andron’ny voalohan’ny volana mey. Olona mampiasa vola, mitady tombombarotra ny mpampiasa, fa tsy samaritanina tsara fanahy. Torak’izany ny mpiasa, mivelona sy mamelona ny ankohonany amin’ny karamany. Mifameno ny roa tonta ary tsy azo tsinontsinoavina izany. Ny fifandraisana milamina sy tsara amin’ny andaniny sy ankilany no mampandroso ny toeram-piasana sy mampivelatra ny maha olona. Ataon’ny tompom-bola ahoana ny hanatsara ny karama sy ny tontolon’ny asa raha miditra fatiantoka izy ? ataon’ny mpiasa ahoana ihany koa anefa ny hamokatra sy hiasa tsara raha tsy mifandanja ny herim-po sy ny tambiny ?
Fanontaniana sarotra vahana izany fa mitaky adidy sy fahatsapan-tena avy amin’ny mpiantsehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny asa.
r.r