«Sevens Challenger Series» : Indroa resy ny Makis ladies de Madagascar

Tsy nisotro rano ny Makis de Madagascar, sokajy vehivavy, nandritra ny dingana faharoa hiadiana ny “Sevens Challenger Series”, taranja rugby ho an’olona 7. Resy indroa misesy ny malagasy, tao amin’ny vondrona “D”, omaly, tao amin’ny kianja Markotter Stadium, Stellen­bosch, Afrika Atsimo. Lalao voalohany, niondrika teo anatrehan’i Thaïlande, tamin’ny isa 19 no ho 7. Efa nitarika tamin’ny isa, 12 no ho 7 ry zareo Thailandaise teo amin’ny fizaram-potoana voalo­hany.
Nanatombo teo amin’ny hafainganam-pandeha ny an­daniny. Hita ho navesatra tsy nahavita nanakana azy ireo ny Makis. Ratsy ny tolotra nifanaovan’ireo mpilalao, hany ka verivery fotsiny ny baolina. Tsy nampiasa ny fomba filalao mahazatra, ilay tolotra haingam-pandeha ny Mala­gasy. Samy te hamakivaky irery ny mpifanandrina, izay mahazo baolina.
Lavon’i Afrika Atsimo, 19 no ho 5 ihany koa ny Makis, teo amin’ny fihaonana faharoa. Nitarika tamin’ny isa, 5 no ho 0 anefa i Madagasikara. Tsy ela ny valin-kafatra, vetivety dia nosahalain’ny Afri­kanina tatsimo izany. Mbola voa teo amin’ny tanjaka ny tovovavy malagasy. Mpilalao malagasy 3 vao mahasakana afrikanina tatsimo iray. Vo­kany, nisesy ny baolina nentin-tanana azon’ireto farany..
Hitohy anio, ny fifanintsanana ka hidona amin’i Para­guay, ny Makis Ladies. Mila mandresy amin’ny isa tataka be ny Malagasy raha te hiatrika ny dingana ampahavalon-dalana. Hiady laharana sisa raha mbola resy amin’io lalao farany io.

Tompondaka

Partager sur: