Ao anatin’ny fanamarihana ny herinandro fampahafantarana ny tetikasa “Haraton’aina” no hidirana amin’ny iray volan’ny fiahiana sosialy amin’io volana mey io, ataon’ny minisiteran’ny Mponina, tarihin’ny minisitra Soafilira Princia. Hisy ny tombana hatao hahafantarana ny ezaka vita sy ny mbola miandry. Ho fantatra eo na tratra ny tanjona napetraka na tsia. Anisan’ny tanjona ho amin’ity taona 2023 ity ny hisitrahan’ny 15%-n’ny mponina marefo ara-pivelomana ny karazana tosika amin’ny alalan’ny tetikasa “Haraton’ Aina”. Efa azo tsapain-tanana anefa ny vokatra satria ny 13% no tratra hatramin’izao, raha ny fanazavana.
Havaozina, araka izany, ny paikady hahafahana manatratra ny politika nasionalin’ny fiahiana sosialy. Kendrena hisitraka ny fiahiana sosialy ny antsasaky ny vahoaka malagasy marefo. Tsy maintsy hitombo, araka izany, ny olona hisitraka sy ny faritra hahazo ny anjara ao anatin’io fanovana paikady amin’ny fomba fiasa io, hoy ny tale jeneralin’ny fiahiana sosialy. Niarina ny fiainan’ireo 90%-n’ny mpisitraka ny tetikasa “Haraton’aina”, raha ny tombana nambaran’ny tomponandraikitra. Tosika ialan’ny fianakaviana marefo anaty fahantrana lalina rahateo no tanjon’ny tetikasa. Marolafy, araka izany, ireo tantsoroka omena na amin’ny sehatry ny fihariana na fampianarana na amin’ny fiatrehana ny karazana loza voajanahary. Tanjona ny hampahaleo tena ara-pivelomana ireo ankohonana marefo.
Tatiana