Namoaka mpanakanto tsy lefy laza maro ny taona 1983… Anisan’ireo manamarika ny faha-
40 taona niakarany an-tsehatra koa i Poopy. Mbola noporofoiny kosa fa manan-toerana ao
am-pon’ ny mpankafy izy…
Am-polony ny seho tamin’iny faran’ny herinandro iny, raha ny teto an-drenivohitra fotsiny.
Anisan’ireo nisongadina indrindra tamin’ireny ny an’i Poopy ny tolakandron’ny alahady teo,tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina. Tsy ny fahafenoan’ny efitrano fotsiny no nitarafana ny fahombiazan’ny seho, fa teo indrindra koa ny fahafaliam-pon’ireo mpankafy…
« Misaotra anareo mbola nanaraka ahy tao anatin’izay 40 taona izay », hoy i Poopy.
Taorian’ny « Ndao handihy », no nilazany izany… satria tokoa dia mbola niara-nandihy tamin’i Poopy ireo mpankafy, ary dia tsy nisy rimbina ny soradihy efa fanao tamin’ny 30 taona lasa. Mbola tazana teny an-tsehatra rahateo ry Itsingory sy Navin, mpamorona ny soradihy hatramin’izay.
Mazava loatra fa tsy nohadinoan’i Poopy ny niantombohany 40 taona lasa, ka nisy ny famerenana ireo hira nataony tao amin’ny tarika Njila, toa ny « Rivotra », sns. Tsy nohadinoany ihany koa anefa ny fanaony rehefa fampisehoana goavana , dia ny manamarika izany amin’ fampiarahana ny mozika sy ny lohahevitra, hifandraika amin’ny fitafy sy fisehatra ary haingo isan-karazany, ka nisarika ny maso sy ny sofina hatrany.
Nolalovan’i Poopy sy ny tariny avokoa ireo hira nanamarika izay 40 taona izay… tsikaritra ho sahirana ihany ity mpanakanto ity teo amin’ny fisafidianana ny hira hampifaliana ny mpankafy, satria dia tafakatra 50 mahery izany ! Naharitra kokoa noho ny mahazatra ny fotoana, kanefa tsy hitahita akory izany. Mbola fanomezana hafa nataon’i Poopy mantsy ny nanasany ireo mpanakanto namany, toa an’i Malala Zay, Noël Sakelidalana ary i Ninie, izay nanao feo lafika an-taonany maro tao amin’ny tarika.
« Tsy mety afa-po Raolombelona », hoy ilay tononkiran’i Poopy izay… Afa-po kosa anefa ny ankamaroan’ireo mpijery, ary izay tsy tonga miandrandra mafy ny tohiny… Fa mbola mitohy ary hitohy ela ny tantara.
Zo ny Aina