Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahavalo (CSP8), eny Analamahitsy, ny alahady misasakalina teo, teny Ambodivoanjo Ivandry, ny jiolahy tompon’antoka tamina fanafihana nahafatesan’olona. Nahazo antso ny polisy fa misy andian-jiolahy manafika tokantrano iray eo Ambodivoanjo Ivandry tamin’io fotoana io. Jiolahy telo nirongo basy no nanafika tao amin’ilay tokantrano. Nandrahona ny tompon-trano mba hanome vola sy ny zavatra sarobidy rehetra ireo jiolahy vantany vao tafiditra tao an-trano. Nanohitra ireo jiolahy ny iray tamin’ireo olona tao an-trano ka norarafan’izy ireo tifitra tamin’ny basy ka maty tsy tra-drano. Niantso vonjy ireo niharan’ny fanafihana ka vory lanona ireo mponina teo amin’ny manodidina. Tonga teny an-toerana koa ny polisy ka jiolahy iray tratra raha tafaporitsaka ireo namany.
Mbola eo am-pitsirihana ny toerana ahitana ireto jiolahy tafaporitsaka ireto ny polisy amin’izao. Mitohy, araka izany, ny fanadihadiana momba ity fanafihana nahafatesan’olona ity.
Jean Claude