Niforitra ny lohan’ ny fiara, maty vokatry ny dona mafy nahazo azy ireo mpivady tra-doza tetsy Andraharo, ny marainan’ny sabotsy teo.
Maty teo noho eo ny renim-pianakaviana iray tao anaty fiara tra-doza tetsy Andraharo, ny sabotsy lasa teo, tamin’ny 3 ora maraina. Avy any amin’ny lalan’Ambohimanarina izy mivady ireto no nikasa hihazo ny renivohitra. Nandalo teny Andraharo, nandeha mafy ny fiara. Nisy fiarabe nijanona teny amin’ny sisin-dalana. Nifatratra tampoka tamin’io fiara mpitatitra mpiasa io ilay fiara kely. Niforitra avy hatrany ny lohan’ilay fiara nentin’ireto mpivady. Naratra mafy ilay ramatoa. “Nandeha mafy io fiara io raha ny fahitana ny fahavoazana”, hoy ny fanazavan’ny polisy. Maty teo noho eo vokatry ny ratra mafy nahazo azy ilay vehivavy. Tetsy ankilany, niezaka nanavotra ilay raim-pianakaviana ny manodidina. Tsy avotra intsony ihany koa ny ain’ity farany vokatry ny dona mafy nahazo azy. “Nentina teny amin’ny hopitaly izy saingy tsy avotra”, hoy ny fanamafisan’ny loharanom-baovao.
Mandeha mafy ireo mpampiasa lalana
Raha tsiahivina, lehilahy iray nitondra moto no maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana teo Andraharo, ny alin’ ny 22 avrily teo. Voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana iray avy any aoriana ilay moto. Nifatratra tamina taxi tao alohany io kodiaran-droa io ka nitarika ny famoizana ain’ilay lehilahy nitondra azy. “Tsy mitandrina matetika ireo mampiasa ity lalana ity fa mandeha mafy”, hoy ny mponina mipetraka eny amin’ny manodidina.
Tsiferana R.