Angela Quintal – Committee to Protect Journalists: « Mihasimba ny tontolo hiasan’ny mpanao gazety aty Afrika »

Miharatsy ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety aty Afrika. Mampanahy ny zavatra mety hiseho mandritra ny taona 2023, hoy i Angela Quintal, Mpandrindra ny tetikasa ho an’i Afrika, eo anivon’ny Committee to Protect Journalists, manana ny foibeny any New York. Resadresaka.

(*) Gazety Taratra: Amin’ny maha mpandrindra ny fandaharanasa CPJ-Africa, ahoana ny fahitanao ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety aty Afrika?

(-) Angela Quintal: Indrisy mihasimba ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety aty Afrika. Azo lazaina ho taratry ny zava-misy maneran-tany izany, araka ny fanadihadiana nataon’ny CPJ. Mainka mampanahy ny toe-draharaha amin’ity taona ity. Vao nanomboka ny taona 2023, nisy mpanao gazety namoy ny ainy tamin’ny fo­mba mampiahiahy. Anisan’ ireny i Martinez Zogo sy i Jean-Jacques Ola Bebe avy ao Cameroun. Anatin’ny fanadihadiana momba ny antony nahafaty azy ireo izahay, ankehitriny. Ahafahana mamantatra raha nisy ifandraisany tamin’ny asa nata­on’izy ireo ny fahafatesana na tsia. Ma­rihina fa mametraka izay ahiahy izay rahateo ny mpanao gazety any an-toerana. Torak’izany ny fahafate­san’i John Williams Ntwali, mpanao gazety avy ao Rwanda. Voalaza fa matin’ ny lozam-piarakodia izy, nandritra ny fotoana nanaovany fanadihadiana.  Betsa­ka ny mpanao gazety nigadra sy voaheloka na dia misy aza ny lalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety aty Afrika, toy ny any Ethiopia sy any amin’ny Repoblika Demaokratikan’i Congo ary ireo firenena maro samihafa. Anatin’ny fanaraha-maso akaiky izany ny CPJ. An­koatra ireo, betsaka ny mpanao gazety mahazo fandrahonana sy voaroaka any amin’ny firenena hiasany, toy ny any Sahel. Misy ny trano na fitaovana mpampita vaovao no tsy mahazo miasa ihany koa.

(*) Iaraha-mahalala fa mitombo ny tsindry sy ny famotehana mpanao gazety. Ahoana ny hevitrao?
(-) Mihasarotra ny tontolon’ny asa sy ny maha-mpanao gazety. Ankoatra ny famonoana sy ny herisetra ary ny fiampangana ny mpanao gazety ho mpanohitra fitondrana, mampanahy ny fiarovana azy sy ny loharanom-baovao, noho ny firongatr’ireo karazana “logiciels” mpitsikilo toy ny Pegasus sy ny fitaovana hafa, izay sady ahafahana manara-maso akaiky ny mpanao gazety no misintona izay vaovao tiana ho alaina momba ny asany. Olana iray, manahirana sy ilana fitandremana ihany koa ny karazana herisetra amin’ny tambajotran-tserasera ( violence en ligne) sy ny fandrahonana ana habaka (cyberintimidation) mianjady amin’ny vehivavy mpanao gazety. Tanjona ny hampangiana ny mpanao gazety tsy hitsikera, andaniny. Hiampangana azy ireo ho mpampiely vaovao tsy marina ankilany, amin’ ny alalan’ilay lalàna mifehy ny heloka ana habaka. Tahaka ny zava-niseho tao Madagasikara ny taona 2020, nanagadrana an’i Arphine Helisoa.

(*) Amin’ny maha mpanao gazety, nonina ta­ty Afrika anao, saingy ni­findra monina any Eta­zo­nia, inona ny fanamby atao amin’ny fahalala­han’ny asa fanaovan-gazety ?
(-) Marihina aloha fa mbola mpanao gazety aho, ny toerana hiasana no miova. Ny fiainako iray manontolo dia mbola any Afrika, indrindra ao Afrika atsimo misy ny fianakaviako sy ny olona akaiky ahy. Soa ihany fa efa mivaha ny sisin-tany, efa foana ny fepetra ara-pahasalamana isan-kara any ka afaka mivezivezy taorian’izay roa taona izay. Amiko, ny fanamby rehetra lalovan’ny mpanao gazety afrikanina dia iraisana amin’ ny mpanao gazety rehetra maneran-tany. Tsy misy fahasamihafana. Ireo karazana ramatahora voalaza tetsy ambony dia tsy mahakasika ny afrikanina ihany. Mi­an­jady amin’ny mpampahalala vaovao erak’izao tontolo izao io. Eny fa na aty amin’ ny firenena hiasako, Eta­zo­nia, aza. Torak’izany, ny se­dra sy ny fanamby irai­­s­an’ ny rehetra: miteraka ahiahy amin’ny asa fanaovan-gazety ny olana ara-bola na toekarena lalovan’ny orinasa haino vaky jery, izay mitarika fanakatonana sy ny fahaverezan’asa.

(*) Raha mihoatra amin’ ny traikefa sy ny fahaiza-manao hanananao, inona no paikady hoenti-mampiroborobo ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Inona no tokony hatao handresena lahatra ny sarababem-bahoaka? Inona ny tolo-kevitra avy aminao?
(-) Raha vao miresaka fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety isika, dia tsy tokony hihanona fotsiny hoe an’ny “mpanao gazety” izany. Mila manazava miaraka amin’ireo mpiaro ny asa fanaovan-gazety ireto farany fa zava-dehibe kokoa ny fahalalahan’ny besinimaro na ny olom-pirenena rehetra ny zony hahara-baovao. Ara­ka izany, ny vaovao ampitaina dia sady tsy mitanila no tsy miankin-doha amin’ny mpitondra na vondrona iray miaro tombontsoa manokana, mikendry ny hifehy ny filazam-baovao ka mahatonga ny vahoaka hiaina an­atin’ny tsy fahalalana, hitarika voka-dratsy ho azy ihany izany.

(*) Inona izany ny ezaka tokony hataon’ny mpampahalala vaovao mba hiarovana izay fahalalahany izay?
(-) Ny fijeriko azy, ny fanajana ny etika sy fahafehezana ny asa no tena zava-dehibe. Mifototra amin’ny fitadiavana ny marina fa tsy mirona any amin’ny fitondram-panjakana na vondrona samihafa manana ny tombontsoany. Tsy tokony hiala ny fiarahamonina misy azy ny mpampahalala vaovao. Mila miezaka ny mpanao gazety manototra tsikelikely ny hantsana misy eo aminy sy ny mpanjifa ( mpamaky, mpihaino, mpijery). Amin’ ny alalan’ny vokatra atolony no mety hamerina tsikelikely ny fifampitokisana misy eo amin’ny roa tonta. Anisan’ny paikady, hanampy be dia be ny mpanao gazety koa ny fanazavana amin’ny vahoaka fa ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety dia fahalalahana ho azy ireo ihany koa.

(*) Farany, ahoana ny fahitanao ny tontolo ankapoben’ny asa fanaovan-gazety aty Afrika  ?
Iaraha-mahalala fa misy ny fanamby atrehin’ny mpanao gazety afrikanina tahaka ireo namany maneran-tany. Misy ihany koa anefa ny fanatsarana ny fomba fiasa ataon’ny mpanao gazety aty Afrika. Anisan’ireny ny fiaraha-miasa ivelan’ny sisin-tany ( Journalisme Trans­na­tional), izany hoe, ny fanaovana fanadihadiana lalina ia­rahan’ny mpanao gazety sa­mihafa firenena, ohatra. Mi­sy ny tambajotran’ny mpanao gazety amin’ny fikirakirana ny tahirin-kevitra na ny Data journalism. Misy ny mifandrimbona amin’ny lo­ha­hevitra iray na samy hafa fiaviana aza. Iray ny tanjona amin’izany dia ny “fiada­nan’ny fiarahamonina”.
Misy ihany koa ireo fandresena goavana mahavelombolo ho an’ny asa fana­ovan-gazety aty Afrika. Ta­ha­ka ny nanafoanan’ny fi­tsarana tao Afrika Atsimo, ny taona 2021, ireo lalàna tsy manaraka ny lalàmpanorenana, nikendry ny hanara-maso ny asa fanaovan-gazety; Torak’izany, ny zava-­ni­sy tao Zambia, nanafoanan’ ny governemanta ny momba ilay fanalam-baraka ny filoham-pirenena.

Nangonin-dRandrianarisoa
Riana Raymonde

Nandika teny : Lin Michel, Fitia Randria, Mino Yollande (Mpianatra asa)
*Resadresaka nadika ma­lalaka avy amin’ny teny Anglisy

Partager sur: