Tratran’ny lozam-pifamoivoizana teo Antsarimasina Toamasina II, ny sabotsy tamin’ny 10 ora maraina, ny fiara mifono vy an’ny Tafika Malagasy. Miaramila roa lahy no indray namoy ny ainy, telo hafa naratra mafy. Raha ny angom-baovao voaray avy amin’ny zandary, nandeha mafy ilay fiara avy any amin’ny lalam-pirenena faharoa hihazo an’Ivoloina, lalam-pirenena fahadimy (RN5). Tsy voafehy ny familiana rehefa niditra fiolahana. Vokany, nivadibadika ilay fiara mifono vy. Miaramila 11 lahy no tao anatiny. Fito tao aoriana, efatra tao anatin’ny cabine. Afa-nitsambikina ireto farany. Voatsindrin’ny fiara kosa ireo taoriana.
Maty tsy tra-drano ny miaramila roa, raha naratra mafy ny dimy lahy. Ny telo amin’izy ireo, no tena voa mafy. Tsy maintsy nalefa hotsaboina eny amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana, Antananarivo, ireo naratra.
Nandritra ny angom-baovao teny amin’ny toerana nisehoan’ny loza no nahafantarana fa misy tsy fetezany ny fanamboarana ny tara amin’io lalana io. Vakivaky ny arabe, koa ahiana ho misy ifandraisany amin’izany ny nahatonga ny loza.
Telo naratra
Fa ankoatra ity loza namoizana miaramila roa lahy ity, ny alahady tolakandro tamin’ny 1 ora sy 40 mn, telo mianaka avy any Vohindrotra hihazo an’Ivoloina no tratran’ny lozam-pifamoivoizana ihany koa. Teo amin’ny sampanan-dalana mampitohy ireo tanàna roa ireo no nisy fiaran’ny Tafika nirimorimo hiditra mankany Vohindrotra. Notrongisin’ilay fiara ny moto nentin’izy telo mianaka. Naratra izy telo mianaka. Voalaza fa noho ny hatairan’izy ireo no nampianjera azy telo mianaka. Na izany aza, nanamafy ny loharanom-baovao hafa, sarin’ady iraisam-pirenena no atao ka tsy hisy fiara mandeha mora mandritra ny fanatanterahan’ny miaramila ity sarin’ ady ao Ivondro ity. Nanamafy ny Tafika amin’ny fahamailoana hatrany noho ny fisian’izay fanelingelenana kely izay.
Sajo/Jean Claude
Natao veloma farany afakomaly, tao amin’ny Toby CIIS eny Barikadimy Toamasina ireo miaramila roa lahy namoy ny ainy vokatry ny fivadihan’ny fiara tsy mataho-dalana ity. Nandritra ny fanaovam-belona azy mirahalahy maty am-perinasa ireto, nanome voninahitra ny fianakaviamben’ny Foloalindahy notarihan’ny Jeneraly, lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika sy ny Préfet ny faritra Atsinanana ary ireo manam-boninahitra ambony Frantsay misehatra amin’ny fanazaran-tena.