Mbola hitohy mandavantaona sy amin’ny fotoana tsy voafetra ny hetsika “herinandron’ny kara-tany”, izay nanomboka ny 24 avrily teo. Mbola hitohy manerana ny Nosy sy any amin’ireo faritra 23 manerana an’i Madagasikara ary eny anivon’ny kaominina izany. Tanjona ny hizarana kara-tany 2.000.000 hatramin’ny desambra 2023. Mahatratra ny 1.000.000 isan-taona kosa ny hisitraka ity kara-tany ity mandritra ny taona mifandimby aorian’ izay. Nahaliana ny vahoaka maro ny hetsika ka betska ireo mbola tonga teny amin’ireo birao misahana izany. “Ho an’Andramasina manokana, mbola tomefy olona ny Tranom-pokonolona izay nanaovana izany hatramin’ny 9 ora alina”, hoy ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananantany, Rakotoarison Thimoléon. Notsipihina nandritra ny lanonana famaranana ny hetsika, tetsy amin’ny biraon’ny topo Anosy, ny zoma teo, ny filamatry ny hetsika izay “Kara-tany: fananan-tany tsotra, mora, manakaiky vahoaka” Namoraina tahak’izay ny fahafahan’ny teratany malagasy fa indrindra ireo tantsaha misitraka ny kara-tany. Araka izany, mila manao fangatahana ilay olona, atao ny fitsirihana any amin’ilay toerana voalaza ary vita aorian’izay ny kara-tany. Tsiahivina fa tany tsy mbola nahazo titra amin’olon-tsotra ,najariana mihoatra ny dimy taona ary latsaky ny 10Ha no homena ny mpangataka.
Nanomboka ny herinandro teo, tetsy amin’ny parvis Analakely, ny hetsika, ny alatsinainy lasa teo. Nitohy teny amin’ny biraon’ny topo ny alakamisy sy zoma teo izany. Tanjona ny hampahafantatra ny malagasy ny resaka kara-tany sy ny fisitrahana izany. Tafiditra amin’izay koa ny fangatahana ny kara-tany.
Henintsoa H.