Iraimbilanja- 40 Taona : niaraka nifaly tamin’ny mpankafy ny tarika

Tontosa omaly, teny amin’ny Kianjan’ny Esca Anta­nimena, ny fampisehoana nankalazan’ny tarika Iraimbi­lanja ny faha -40 taonany. Nanotrona azy ireo ny mpankafy sy ny namana ary ny zanaka aman-jafin’ny mpikambana. Tsy niova fa ny hira sy ny fampisehoana nahafantarana ny tarika Iraimbilanja no niarahana. Tonga nanotrona ny tarika i Nini ao amin’ny tarika Kiaka, Jacquot tarika Green, Abass tarika Apost, ny zanaky ny tarika The Dizzy Brains. “Namerina sy nampanembona indray ny fahatanorana ny fahenoana ny hiran’ny tarika. Afa-po ary tena kanto ny fampisehoana. Mbola manantena ny hiara-paly amin’ny tarika hatrany izahay mpankafy”, hoy Eric, mpankafy Iraimbilanja. Tsy nifidy taona tokoa fa samihafa tanteraka ny zaran-taonan’ny mpankafy Iraimbilanja.
Mbola mitoetra hatrany ny maha izy azy ny tarika, na dia eo aza ny mozika ankehitriny. Ny tarika Iraimbilanja izay anisan’ny tarika efa zokiny ihany ary manana ny toerana maha izy azy sy apetraky ny mpankafy mozika rock amin’ny toerana ambony. Nanakoa­ko nandritra ny fampisehoana ny “Iray fo, iray mozika”, ny “Mozika”, ny “Fitia vaovao” sy ny hira nahafantarana ny tarika Iraimbilanja hatramin’izay 40 taona izay. Niavaka kely tamin’ny hira rehetra ny nihiran’i Nirykely ny hira Bebenay, izy izay efa mpikambana tao amin’ny tarika Iraimbilanja ihany koa.
Nandritra ny fampisehoana, nisy ny fanapahana mofomamy ho fanamarihana ny fankalazana ny faha-40 taona, niarahan’ny tarika Iraimbilan­ja sy ny mpankafy.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: