Manoloana ny resabe sy fanahiana iainan’ny atleta sy ny vahoaka malagasy, amin’ny hisian’ ny lalaon’ny Nosy 2023 na tsia, nanazava ny sain’ny rehetra ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa André Haja .
Gazety Taratra(*) : Efa-bolana tsy higadonan’ny lalaon’ny Nosy, izay kasaina hatao eto Madagasikara, manao ahoana ny zava-misy ? Inona ny azo ambara ?
Minisitra André Haja Resampa (-): Mahitsy ary hentitra aho no milaza amin’ny Malagasy rehetra anio fa hisy ary ho tsara ny lalaon’ny Nosy, hatao eto Madagasikara. Tsy sasatra miasa andro aman’alina ny ekipan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, handraisana ity Lalao hiarovana ny voninahi-pirenena ity. Tsiahiviko fa ny filoha, Andry Rajoelina, mihitsy no nangataka ny hanaovana ny JIOI 2023 eto amintsika, ka tsy misy antony tokony tsy hahatanterahany.
*Inona no vita, inona ny mbola tsy vita ? Vonona ve i Madagasikara?
– Raha ny zava-bita efa maro. Hivoaka afaka fotoana fohy ny «Mascotte» sy ny «logo» hamantarana ny lalaon’ny Nosy 2023. Mifandray tsy tapaka amin’ny Nosy rahavavy mpandray anjara sy ny filohan’ny CIJ (Comité International des Jeux des îles), i Anthonio Gopal, aho ary mandroso ny asa. Efa voafaritra avokoa ny toerana sy ny kianja handray ny taranja tsirairay ary ny fitsipika mifehy ny fifaninanana isan-taranja. Torak’izany koa ireo hotely handraisana ny delegasiona vahiny. Ireo Nosy rahavavy aza mampiseho ny fahavononany, mainka fa isika mpampiantrano. Vonona amin’ ny 98 isan-jato i Madagasikara, amin’ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy 2023.
*Manao ahona ny fotodrafitrasa? Ho tratra ve amin’izao volana vitsy sisa izao?
– Ekeko fa misy ny fahatarana amin’ny fanavaozana ireo fotodrafitrasa sasantsasany, saingy efa manao ny ainy tsy ho zavatra ny fitondram-panjakana ary miasa haingana. Manome toky aho fa ho vita alohan’ny fe-potoana hanombohan’ny lalao avokoa ireo fotodrafitrasa rehetra. Ho avy eto rahateo ny CIJ amin’ny 15 mey izao hijery ireo fotodrafitrasa ireo ka vao mainka mandrisika anay hiasa haingana izany.
*Eo amin’ny lafiny fampivondronana sy fanomanan-tena kosa? Toa miady irery ny atleta sy ny federasiona?
– Aoka tsy hodiana tsy hita ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny fanomanana ireo atleta. Ekeko fa tsy mbola nisy ny fampiantsoana fampivondronana iraisana, saingy kosa hiarahana mahita kosa ireny atleta lasa tany Chine ireny hanoman-tena. Efa nisy ny manam-pahaizana avy any ivelany tonga mizara traikefa eto an-toerana, toy ny taranja tolona. Efa maro ny atleta sy mpilalao amin’ny taranja sasany mankany ivelany miatrika fiofanana ary mitondra ny fanampiana amin’ ireny ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Mbola hisy atleta ho any ivelany ato ho ato ary efa tena mari-pototra izany. Na izany aza, lazaiko androany fa hanomboka ny fampivondronana ny taranja iraisana toy ny handball, amin’io herinandro ho avy io. Hanaraka miandalana eo ny taranja hafa fa eo am-pandaminana farany ny ekipa. Marihiko tsara fa efa nandalo tao amiko sy niresaka tamiko avokoa ny filohan’ny federasiona tsirairay ary niara-nijery ny fanomanana ireo atleta izahay. Mivory in-droa isan-kerinandro izahay mandamina izany rehetra izany. Mety hoe miasa mangiana angamba izahay ka tsy misy mahita. Tsipihiko tsara fa miantso ny KOM izahay hiara-hivory aminay, amin’ny fanomanana ity lalaon’ny Nosy ity saingy matetika izy ireo no tsy tonga amin’izany, ka izany angamba no mahatonga azy ireo tsy mahita ny ezaka atao.
*Manao ahoana kosa ny tetibola?
– Laharam-pahamehana ho an’ny fanjakana ny tanora sy ny fanatanjahantena ary manan-danja amin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Vonona ny firenena malagasy amin’ny hoenti-manana hiatrehan’ny lalaon’ny Nosy 2023.
Nangonon’i Mi.Raz