Ny asa no maha olona sy maha firenena

Amin’ny Malagasy, ny fanahy no maha olona. Marina izany amin’ny maha olona na fijery maha olona. Misy fijery hafa hoe hafa indrindra amin’ny samy manam-batana, hono, ny olombelona noho izy manam-panahy, hafa indrindra koa amin’izay manam-panahy noho izy manam-batana. Eo koa ny hoe: raha noana ny vatana, mivezivezy ny fanahy; izay voky no maharaka ny namany… Hazakaza-dava ny fiainana: lanja miakatra; izay tsy mandroso, naman’ny mihemotra.
Inona avokoa izany rehetra izany amin’izao, raha izay misy sy iainana. Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena fa tsy eto Madagasikara ihany, namela takaitra saro-kosehina ny ady tamin’ny fihanaky ny valanaretina covid-19. Mby amin’ny tenin’ny mpanoratra iray izay hoe: rava iray minitra izay naorina herintaona. Be ny fahavoazana mitaha amin’ny fahombiazana, na efa milamindamina aza ny ady amin’izao. Ho voaarina sy voalamina herintaona ve izay rava tao anatin’ny iray minitra?
Mbola zary fialana sy fanamarinan-tenan’ny sasany aza amin’izay mitranga rehetra ve ny ady eo amin’i Ukraine sy i Rosia? Amin’ny fidangan’ny vidim-piainana, ohatra, na ny fitotongan’ny sandam-bola, na ny fihenan’ny fahefa-mividin’ny vahoaka… Tato ho ato izay, tsy mahafa-bela koa ny fiovaovan’ny toetr’andro mampikorontana seha-pamokarana, varotra, fifamoivoizana… Izany rehetra izany mitambatra no mampanahy be ihany izay mbola mety hitranga sy ny hoavy tsy fantatra. Hanao ahoana?
Misy ny fanahiana tsy fahampiana na tsy fanjarian-tsakafo amin’ny firenena sasany, mosary aza amin’ny hafa. Inona no hatao? Na ny vahaolana… Eo no mahatonga ny hoe ny asa no maha olona sy maha firenena. Izay no ahazoana mivelona, mijoro, mandroso… Amin’izao fahasahiranana ahina hidona amin’ny rehetra maneran-tany izao na efa midona amin’ny maro izao, samy manao izay ho afany sy efany ny isam-pirenena hisorohana sy hialana amin’izay mety ho fahavoazana lalina sy maharitra amin’izay fiovaovan’ny toetr’andro izay. Eny, na aza izay mety ho fifampiankinana sy fifanampiana.
Tsy azo ihodivirana ny fampitomboana sy fanatsarana ny seha-pamokarana, famoronana asa, fikarohana… Tsy afa-kiandry ny hafa intsony amin’izao? Samy manana ny fahasahiranany sy izay fomba amam-paikady hiatrehany ny azy ny isam-pirenena amin’izany. Eny, na eo aza ny ny hoe fifampiankinana, izay miasa ihany no mendrika ampiana?

R. Nd.

Partager sur: