Ranovorin’Ambiroka : nandrotsahana zana-trondro Tilapia

Zana-trondro Tilapia 5843 no narotsaka tao amin’ny ra­no­vorin’Ambiroka, ao amin’ ny kaominina ambanivohitra Maevatanana II, ny alarobia teo. Hetsika teo ambany fitarihan’ny talem-paritry ny Jono sy ny toekarena manga. Vokatry ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny tetikasa WIOSAP. Tanjona ny hanamafisana ny fanohanana ireo mpanjono amin’ny seha-pihariana nosafidiany. Eo ihany koa ny hitantanana amin’ny fomba maharitra ny harena anaty rano misy eny ifotony mba ho lovain-jafy. Nahafahana nanao ity hetsika ity ny “convention de Nairobi” izay tantsoroka ny tetikasa WIOSAP sy ny fikamban’ ireo mpanjono avy ao an-toerana. Etsy ankilany, resy lahatra tamin’ny hetsika sy tamin’ireo natao nandritra ny telo volana nifanesy ta­ny an-toerana ny mpanjono ao Ambiroka. Nilaza izy ireo fa hanara-maso izany sy hanaja ny lalàna mifehy ny jono sy ny famokarana atirano.

Henintsoa H.

Partager sur: