Seranan’i Nosy Be: volamena 2,958 kilao nafenina tanaty finday

Mitohy ny trafika ! Tratran’ny mpiasan’ny ladoany any amin’ny seranam-piaramanidina Nosy Be ny brikim-bolamena miisa efatra milanja 2,958 kilao, ny sabotsy 29 avrily teo. Nahatrarana azy ny mpandeha vehivavy malagasy iray saika handray ny zotra ET 836, an’ny kaompania Ethiopian Airlines. Natao fisavana fanindroany ity olona ity, ka nafeniny tanaty finday anakiroa miloko mainty ny birikim-bolamena roa, ary nofonosina natao tanaty entana entin-tanana ny roa hafa. Rehefa nohadihadiana, nambarany fa saika handeha any Dubai ny tenany. Nampirimina any amin’ny toerana azo antoka ireo volamena, ary nentina any amin’ ny biraon’ny ladoany Nosy Be ity vehivavy ity hanohizana ny fanadihadiana lalina.
Nitranga iray andro mialoha ny hametrahana ny sampana alika mpitsongo dia, ao amin’ny haban-tseranana No­sy Be ity tranga trafika volamena an-tsokosoko ity, hana­tsarana ny fomba fiasa sy ny fanaraha-mason’ny ladoany.

Njaka A.

Partager sur: