Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ao Taolagnaro ny fikaonandoha ara-bola isam-paritra, hanangonana ny hetahetan’ny mponina eny ifotony. Atao ity hetsika ity hamadihana izany ho drafitrasa sy hampidirina anatin’ny lalàna fototra mifehy ny tetibola 2024.
Nisokatra nanomboka ny zoma teo ao Taolagnaro, faritra Anosy, ny fikaonandoha ara-bola isam-paritra (conférence budgétaire régionale, CBR) hakana soso-kevi-pandrosoana avy any ifotony, sy hampidirana izany ao anatin’ny lalàna fototra mifehy ny tetibola (loi de finances intiales, LFI) 2024. Atao any amin’ny faritra 23 manerana ny Nosy izany, hanangonana ny tolo-kevitra momba ny tetikasa fampandrosoana ka hamadihana izany ho drafitrasa hampidirina anaty tetibolam-panjakana. Miara-misalahy manao ny hetsika ny ministeran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola sy ny ministeran’ny Atitany ary ny fitsinjaram-pahefana. Andiany fahadimy ity hetsika ao amin’ny faritra Anosy ity. Araka izany, omena sehatra hilaza ny hetahetany ny avy any ifotony, hitondra ny hetahetany ny mponina. Jerena amin’io izay tena maharary ny vahoaka eny ifotony, toy ny lalana, tohodrano, angovo, rano fisotro madio. Ao koa ireo fotodrafitrasa tena mifandraika amin’ny fiainan’ny vahoaka andavanandro, araka ny tatitry ny filan-kevitry ny minisitra, ny alarobia lasa teo. Araka izany, manana 17 andro ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny, hisolo-tena ny fiaraha-monina, hanao izany ka hahafahan’ny minisitera mandinika sy mamakafaka ireo tolo-kevitra. Aorian’io, ho faritana ao anatin’ny tetibolam-panjakana ny fanatanterahana izany.
Zava-bita
Niavaka tanteraka ity hetsika andiany fahadimy ity, noho izy ahitana ny fanavaozana fa indrindra ny fanasongadinana ny zava-bita isam-paritra. Nohatsaraina tokoa manko ny CBR, mba hanangonana tolo-kevitra maro sy hijerena ny zava-bitan’ny distrika sy ny faritra nandritra ireo taona teo aloha, raha ny tatitra voaray avy amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Notohizany fa anisan’izany koa ny fandinihana ireo tolo-kevitra naroso teo aloha sy handraisana ireo soso-kevitra vaovao avy amin’ireo faritra samihafa.
Tsiahivina fa nahatratra 11.133 ny isan’ny soso-kevitra voaray tamin’ireo faritra manerana ny Nosy hatramin’ ny taona 2019.
Henintsoa Hani